Ho fankasitrahana ny anjara birikiny miavaka tamin’ny fampandrosoana ny firenena indrindra eo amin’ny ady amin’ny aretina mifindra, nanolotra ny mari-boninahitra ambony indrindra “Docteur Honoris Causa” ho an’i dokotera Alain Mérieux ny oniversiten’Antananarivo ny fiandohan’ity herinandro ity tao amin’ny “Salle des Présidents” ao Ankatso. Mpamorona ny Fondation Mérieux, izay manana laza […]
Auteur/autrice : Adnews
Rotsakorana be loatra : Lasibatra Analamanga, 11 ny olona maty
Mahita faisana amin’ny rotsakorana be loatra ny faritra Analamanga. Tafakatra 11 ny maty, nisy enina hafa naratra. Maro ko any fotodrafitrasa simba. Hatramin’ny omaly, ny faritra Analamanga ihany aloha no nitondra takaitra vokatry ny orambe nirotsaka nanomboka ny faraparan’ny volana novambra lasa teo hatramin’ny omaly ao anatin’ny fotoam-pahavaratra 2025-2026. Valo […]
Mario Prencipe – « De l’analogique au numérique »: Mihaona anaty kanto ny hosodoko fahiny sy ny teknôlôjia
Ny tena zavakanto, tsy lefin’ny vanim-potoana. Azo atao ihany koa ny mampiaraka ny tany aloha amin’ny teknôlôjia ankehitriny. Manamafy ireo ny fampirantiana tanterahin’i Mario Prencipe, eto Madagasikara, nanomboka omaly. «De l’analogique au numérique », fampirantiana tanterahina, ao amin’ny Institut des Arts et des Technologies Avancées (InATA) Ankadivato. Mario Prencipe, mpanakanto manana […]
INDRAY MIJERY
Tsioka avy avaratra-andrefana no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny ho an’ny tapany avaratry ny Nosy hatramin’ny rahampitso. Tombanana hihamalefaka kosa izany manomboka ny alakamisy makany amin’ny faran’ny herinandro. Hipaka amin’ ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy ny sisan-drahona niaraka tamin’ilay rivodoza Grant anio sy rahampitso. Tombanana hanorana tandrifin-drahona mety […]
Fahasalaman’ny fananahana : Mila resahina malalaka amin’ny tanora
Mbola olana amin’ny fitaizana eto Madagasikara ny fisokafana amin’ny firesahana malalaka momba ny fananahana. Tena ilain’ny tanora anefa izany mba hananany fefy sy miaro tena tsy ho tonga amin’ny vohoka tsy niriana. Eo koa ny hahafantarany ny fanangolena sy fanararaotana ara-pananahana mety handindona azy. Tsy tokony hatao mahamenatra ny firesahana […]




