Mario Prencipe – « De l’analogique au numérique »: Mihaona anaty kanto ny hosodoko fahiny sy ny teknôlôjia

Ny tena zavakanto, tsy lefin’ny vanim-potoana. Azo atao ihany koa ny mampiaraka ny tany aloha amin’ny teknôlôjia ankehitriny. Manamafy ireo ny fampirantiana tanterahin’i Mario Prencipe, eto Madagasikara, nanomboka omaly.

«De l’analogique au numérique », fampirantiana tanterahina, ao amin’ny Institut des Arts et des Technologies Avan­cées (InATA) Ankadi­vato. Mario Prencipe, mpanakanto manana ny laza sy fivelarana iraisam-pirenena no mitondra ny asa fikarohany amin’ny alalan’ny fampiarahana ny sary hosodoko fahiny, nataony, sy ny nomerika na ny fampia­sana ordinatera hamoahana zava-­baovao hafa indray. « To­kony hitondra fomba fijery na fomba fisainana vaovao ny fahitana ireo sanganasa ireo, satria, fifamenoana ho hita sy manjaka ao anatiny », hoy izy raha nanazava ny « De l’analogique au numérique ».
Nomarihiny fa efa nisy ho­sodoko tany amin’ny taona 1974 no nahavitany azy. « Izay no nahatonga ahy hilaza fa tsy hosodoko tsotra ireo fa hosodoko tranainy », hoy hatrany ity mpanakanto teratany italianina ity. Nomarihiny fa mahavita hosodoko ihany koa ny niomerika. Afaka miaraka tsara amin’ny hosodoko tranainy izany. Misy fototra iraisana rahateo ireo raha ny fanazavany hatrany.
« Ho ahy, tsara ny niomerika, satria, ahafahana mivelatra. Iray amin’ireny ny asa fa­mo­ronana izay maro sy betsaka kokoa ny azo atao noho ny fananan’ny teknôlôljia fahefana lehibe raha oharina amin’ny fampiasana ireo fitaovana fanaovana hosodoko fahiny », hoy i Mario Prencipe.
Tsapa amin’ny fahitana ireo tabilao 27 ampirantiana ao amin’ny Institut des Arts et des Technologies Avancées (InATA) Ankadivato fa miteraka fomba fijery sy aingam-panahy vaovao ho an’ny mpitsidika ny ranty.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: