13 isa ireo olona narary noho ny fihinana hani-masaka teny an-tsena, ao amin’ny kaominina Ampanefy, distrikan’Atsimondrano, hatramin’ny omaly. Nahitana zazavavy roa taona. Nihinana kompose teny an-tsena iray teo akaikin’ny fiangonana katolika izy ireo ny alahady lasa teo. Nanomboka narary omaly, samy narary kibo, nandoa sy nivalana avokoa. Nalefa eny amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Mananara Avaratra : Mpitondra baka natelin’ny rano
Nokarohin’ny fokonolona nanomboka omaly atoandro, tamin’ny 11 ora, ny lehilahy iray mpitondra baka tao amin’ ny fokontany Antanandava nandritra ny fanantanterahana ny asany tao Ambatondrahilany, distrikan’i Mananara Avaratra. Tra-doza tampoka izy ary nilentika tao anaty rano. Nifampitadiavan’ny namany izay sady mpiara-miasa aminy. Tsy nipoitra intsony taorian’ny naharendrika azy anefa io […]
Nanolana tovovavy 18 taona : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ankazobe
Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy maty ny lehilahy mpanolana, tany Ankazobe, afakomaly. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona, tany an-toerana izy io sy ny namany iray hafa, ny sabotsy lasa teo. Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka, tany amin’ny kaominin’i Marondry, distrikan’Ankazobe, afakomaly maraina. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona […]
INDRAY MIJERY
Nanao fampahafantarana ny tompon’andraikitra fa mitombo ny marary eny amin ny tobim-pitsaboana Ostie amin’izao fotoana. Tamin’ny 22 desambra teo dia efa nahatratra 9167 ireo marary nanao fizaham-pahasalamana. Tsikaritra fa mahery ny gripa. Ny areti-tenda sy ny aretin-kibo dia ahitana tranga maro ihany koa. Mila mitandrina sy misoroka ny tsirairay. Voaporofo […]
Fahasalamana: Notokanana ny IFIRP Antsiranana
Nanao fitsidiham-paritra tany Antsiranana ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël, omaly. Nitokana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana maromaro tany an-toerana izy. Anisan’ izany ny trano miisa telo an’ny IFIRP. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana ao Antsiranana. Nanolotra fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny CHU-PKA (Place Kabary) sy ny CHU Tanambao […]




