Auteur/autrice : Adnews

Mission économique Madagascar: Kihondalan’ny mpandraharaha malagasy sy tonizianina

Hotanterahina eto Antananarivo ny 04-06 febroary ny « mission économique », hetsika karakarain’ny antenimieran’ny varotra sy indostria Tonizia-Madagasikara (CCTM). Tetezana hampifandray ireo mpandraharaha tonizianina sy Malagasy ity hetsika ara-toekarena ity. Lohahevitra amin’ity an­diany voalohany ity ny hoe «Madagascar, terre d’opportunités», izay miompana manokana amin’ny fampandrosoana, fampiasam-bola ary fiaraha-miasa maharitra. «Tanjona […]

Baolina kitra – Can 2025 : Hanala vela amin’i Maroc i Comores

Hanomboka amin’ny fom­ba ofisialy, rahampitso, any Maroc, ny andiany faha-35 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2025), taranja baolina kitra. Hano­katra ny lalao ny Lionan’i Atlas Maroc sy ny Coelacanthesn’i Comores, ho an’ny vondrona “A”. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Prince Moulay Abdellah Stadium, manomboka amin’ny […]

FIBATANA FONJAMBY : Medaly 4 azon’ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny Lalao afrikanina ho an’ny tanora (JAJ 2025), notanterahina tany Luanda, ny alakamisy lasa teo. Medaly 4 indray no no­rombahin’ny Malagasy mpibata fonjamby nandritra ity fifaninanana ity. Nisongadina tamin’ireo mpifanandrina taminy i Onjatiana Herman, tamin’ny lehilahy latsaky ny 56 kg. Na­ha­vita nibata 87 kg […]

Faha-125 taonan’ny Rugby malagasy : Hifampihantsy ny CEA Andranomanalina sy ny Cosfa

Hidona amin’ny Cosfa, tompon’ny amboaran’i Madagasikara, ny CEA Andranomanalina, izay mitarika vonjimaika eo amin’ny fifaninanana “XXL Top 12”. Lalao fihantsiana fotsiny ihany izy ity, entina hankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby teto Madagasikara. Tonga ny fotoana nandrasana! Hotanterahina ma­nomboka anio, etsy amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, ny fankalazana ny jo­bily faha-125 […]