Sambany tao anatin’ny tantaran’ny PSI Madagascar no nisian’ny fankasitrahana mpiasa nahavita be teo amin’ny asa nampandraiketina azy. Notolorana mariboninahi-pirenena sy medaly ireo 34 mianadahy naharitra tamin’ny asany. Mpiasa nahavita be tao amin’ny PSI Madagasikara miisa 34 notolorana ny mariboninahi-pirenena sy ny medalin’ny asa, omaly, tetsy Ankorondrano. Voalohany tao anatin’ny tantaran’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Natao omaly sy anio, ny Fakan-kevitra nasionaly mahakasika ny fizahantany. Fotoana nijerena ny tontolon’ny fizahatany eto Madagasikara ho an’ny ho avy. Nojerena daholo ny lafiny amin’ny antsipiriany, toy ny ho an’ny mpandraharaha, ny rafitra sy ny lalàna, fandriampahalemana, ny fotodrafitrasa sy fifamoivoizana, sns. Anisan’ny navoitran’ny minisitra Vololoniaina Lucie, fa zava-dehibe […]
Fisitrahana internet : Maimaimpoana ny eny amin’ny Oniversite
Vita sonia ny alarobia teo ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny Yas Madagascar ho fametrahana ny Wifi sy Hotspots eny anivon’ireo Oniversite eto Madagasikara. Fandaharanasa izay tohanan’ny Axian Telecom. « Atomboka amin’ny volana janoary 2026 ny tetikasa ary hisantarana […]
Tokantrano malagasy: Mampiasa arina fandrehitra ny 95%
Tafakatra 20 000 ha isan-taona ny ala ringana eto Madagasikara vokatry ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay hoentina handrahoana sakafo. 95% ny tokantrano malagasy no mbola miankindoha amin’izy ireny, raha toa 5% monja ny mampiasa ny angovo madio. Antony mahatonga ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny […]
Internet ho an’ny rehetra: Hiara-kiasa ny Airtel Africa sy ny Starlink
Vita sonia ny 16 desambra teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Africa sy ny orinasa Space X. Tanjona ny hahazoan’ny olon-drehetra ny internet, ampiasana ny Starlink, hatrany amin’ny toerana lavitra. Votoatin’ny fifanarahana ny hampidirana anaty tambajotra internet hampiasana ny Starlink Direct to Cell, tambajotra amin’ny alalan’ny zanabolana. Voakasik’ izany ireo […]




