Voatendry ho mpanolotsaina teknikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Rakotoarisoa Faniry Alban na i Bàbà. Nambarany fa tena mbola tsy madio ny ranon’Ikopa, mbola laoranjy. Mitohy ny fanadiovana. « Tsy vita indray andro fa mila firaisankina sy fifanomezan-tanana ary avela hiasa malalaka sy haingana ny governemanta », hoy izy. Namaly ny feo miely […]
Auteur/autrice : Adnews
Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : ”Tsy azo ravana ny andrimpanjakana mijoro”
“Raha tiana handroso i Madagasikara, aleo mifanome tanana sy miara-mientana”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly, tamin’ny famaranana ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta. Ekena ny hoe hotsarain’ny depiote ny asa vitan’ny governemanta, fa tomponandraikitra avokoa ny rehetra na mpanatanteraka na ny mpanao fanaraha-maso. Tsy […]
Nivadika ny rasa
Tsy hay intsony izay fizotry ity raharaham-pirenena ity. Hafa ny lazain’ny vava, hafa no tanterahina. Mivadika ho mpitari-bato vilam-bava ny ankamaroan’ny mpahazo seza. Izay tsy nahazo mbola mitatatata, milaza ho voafitaka. Miaka-pofona ka efa milaza hanongana indray. Ny henjana aza efa mahita izay manahy koa ny ainy. Tena mampametram-panontaniana, […]
Fanapahan’ireo filoham-panjakana : Ho avy amin’ny fanelanelanana indray ny Sadc
Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony, nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Natao tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra izany ka niresahana ny momba an’i Madagasikara. Nankasitrahan’ireo mpivory ny fiverenan’ny fitoniana eto amintsika, sy ny fanombohan’ny governemanta ny fikaonandoham-pirenena. Vonona ho mpanara-maso sy mpanohana ny dingana rehetra ho […]




