Auteur/autrice : Adnews

“Up Fankatia”: Haseho televizionina ny mpifankatia

Misy fandaharana miaina mivantana (télé-réalité) vaovao hafa indray omen’ny Startimes ny mpanjifa. Miara-mamokatra ny fandaharana mahakasika ny fitiavana, “Up Fankatia”, an­diany faharoa ny StarTimes sy ny TV Plus. Vokatra 100% tena mala­gasy. Hanomboka ho hitan’ny mpijery amin’ny 20 desambra ho avy izao ny fandaharana voalohany. Fotoana miavaka ho an’ny olon-drery, […]

Pergola Antaninarenina : Haverin-kasina ny tsangambaton-dRabobalahy

Vakoka ampovoan-tanàna, kanefa dia nisy nandoto sy nanimba. Antony nanapahana hevitra ny hamerin-kasina ny toera-malaza etsy Antaninarenina izany, satria mitana ny tantara mahaliana ny taranaka ihany koa. Pergola Antaninarenina. Lapan’ny fanorona no fahafantaran’ny maro azy. Toerana efa nisy fahiny, satria dia ahitana ny tsangambaton’ny Printsy Rabobalahy, zanaky ny mpanjaka Radama […]

Pancrace-Mada 2025: Mpikatroka 90 no andrasana

Hotanterahina ny sabotsy 20 desambra izao, eny amin’ ny Kianja mitafon’i Maha­ma­sina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja Pancrace, ho an’ny taona 2025. Mpikatroka manodidina ny 90 no andrasana ary katrok’ady eo amin’ny 40 mahery no hitranga, raha ny nampahafantarina, teny amin’ny Cercle Messe Betongolo, omaly. Efa vonona tanteraka ny […]

Bolo : Nifarana ny fifanarahany amin’ny kliobany

Mandalo fotoan-tsarotra i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Malagasy mpilalao baolina kitra atsy Allemagne, ankehitriny. Araka ny vaovao voaray omaly, avy any an-toe­rana, nofaranana ny fifanarahana teo aminy sy ny kliobany any an-toerana, Hertha 03 Zelhendorf. Azo lazaina ho niha­ran’ny tsy rariny ihany ity Malagasy mpilaravinahitra any ivelany ity […]

Fifa Indian Ocean U15 Festival : Tompondaka ny Barean’i Madagasikara lahy sy vavy

Nisongadina indray ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny U15, nandritra ny Fifa Indian Ocean Festival. Nanao poa-droa ny Malagasy rehefa voahosotra ho tompondaka ny zazalahy sy ny zazavavy. Tsy nisy naharesy ny Barea tamin’ireo lalao rehetra nataony. Hifarana anio, ao amin’ny Kianja Côte d’Or Na­tional Sports Com­plexe Maurice, ny fifaninanana “Fifa […]