Nahitana sambo iray efa potika sy tsy fanta-piaviana tany amoron-dranomasin’i Mahanoro, tao amin’ny fokontany Ankazomirafy, ny 18 desambra 2025 tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Efa harafesina tanteraka ary tsy nisy nahafantarana ny momba azy. Tonga teny an-toerana nizaha ifotony ny tomponandraikitra avy ao amin’ny APMF sy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Sprinter nodomin’ny kamiao : Naratra mafy ny mpamily sy ny mpanampy azy
Nifandona teny am-pandehanana teo Ambatofotsy, lalam-pirenena fahatifo ny kamiao iray sy ny fiara fitateram-bahoaka sprinter iray, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Noho ny hamafin’ny fifandonana, voafaokan’ilay kamiao nifanena taminy ilay sprinter ka nipitika sy nifafatra tany amin’ny sisin-dalana. Potika tanteraka ny lohan’ilay sprinter. Tery sy voatsindrin’ireo vy tamin’ny fiara tao ny […]
Mahajanga: Tovolahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona azy, ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ambondrona, kaominina Mahajanga, omaly maraina. Nanampatra ny hatezerany tamin’io lasibatra io avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy nanatri-maso ny tranga tao an-toerana. Voalaza fa nangalatra io olona voasambotra io. Tezitra vokatry ny fanjakan’ny tsy fandriampahelamana […]
Fanafihan-jiolahy : Telo lahy nandroba vola an-tapitrisa
Notafihan’ny jiolahy telo nitam-piadiana ny tokantrano iray tao Avaratsena, Tsiroanomadidy, ny marain’ny zoma teo, tamin’ny 1 ora. Lasa ny vola sy ny entana sarobidy. Nambanan’ny mpanao ratsy tamin’ny lefona ilay rangahy ary nambanana antsy sy basy ny vadiny, tao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, ny zoma […]
Orange Madagascar : Manohana ny tetikasam-pampandrosoana
Natao tetsy amin’ny Orange Digital Center Madagascar, Gara Soarano, nandritra ny roa andro, ny 16 sy 17 novambtra teo, ny « Village Engage for Change » andiany faharoa. Hetsika nokarakarain’ny Orange Madagascar. Nisongadina ireo tetikasam-pampandrosoana samihafa ataon’ny Orange sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ho an’ny fiarahamonina sy ny toekarena ary ny tontolo iainana. […]




