Nivoaka ny bokibe CGES, mirakitra ny fitantanana maharitra ny Faritra arovana. Fiovana lehibe ao anatiny ny hisitrahan’ny mponina eny ifotony ny fitantanana, izay mitaky andraikitra ho azy ireo ihany koa. Efa tamin’ny taona 2020 no novolavolaina ary nivoaka omaly, ny Rafi-pitantanana ara-tontolo iainana sy sosialy (CGES) ho an’ny Faritra arovana […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Ho avy eto ihany i Gabi Hartmann. Anisan’ireo mpihira sy mpitendry gitara mirona amin’ny jazz frantsay amin’izao fotoana, izy. Tokony ho vahinin’ny hetsika “Madajazzcar 2025”, saingy tsy tontosa tamin’ny volana oktobra teo izany. fantatra kosa izao fa hoavy ihany ary hanolotra seho ny 12 desambra izao, ao amin’ny IFM Analakely. […]
tarika Reko : Hifampitaona amin’ny mpankafy etsy Mahamasina
Hanatanteraka kaonseritra lehibe etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina ny tarika Reko, ny alahady 28 desambra ho avy izao. Hetsika karakarain’ny Studio 58. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana, entina hanakatonana ny taona 2025. Nampanantena seho vaovao miavaka sy avo lenta indray ny tarika taorian’ny fampisehoana nataon’izy ireo […]
Tanora Masina Itaosy: Eny Ambohimasina ny « Réveillon »
Hifarana tsy ho ela ny taona 2025. Hanatanteraka « Réveillon » ao amin’ny FLM Ambohimasina ny Tanora Masina Itaosy (TMI), ny alarobia 31 desambra, manomboka amin’ny 8 ora alina. « Izahay dia mijoro vavolombelona fa hafa ihany ry zareo izany miandry ny taona vaovao any an-tranon’Andriamanitra izany », hoy ny TMI raha namintina ny […]
Gadona tsapiky: Nosafidiana ho harembakoka eo anivon’ny Unesco
Tsy manam-paharoa maneran-tany ny gadona tsapiky. Feno ny fepetra nandraisan’ny Unesco azy, ho harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona. Dingana goavana ho an’ ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Voasokajy ho anisan’ireo harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanakolombelona eo anivon’ny Unesco ny gadona tsapiky. Fantatra io nandritra ny […]




