Notanan’ny zandarimariam-pirenena natao fanadihadiana ireo efa-dahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona niharo fandrobana tao Ambalafarihy, Sonierana, kaominina Ambohimanga Atsimo, distrikan’Ifanadiana, omaly. Raim-pianakaviana iray mpividy volamena hita faty rakotra tsatoka antsy tao amin’io kaominina io, afakomaly. Nivoaka ny trano fonenany io lehilahy io ary nitondra vola 3 000 000 Ar. Nentiny nanaraka azy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fikaonandoham-pirenena: Mitsipaka ny fanilikilihana ny Irmar
Nitondra ny heviny manoloana ny fikaonandoham-pirenena ireo solontenan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, teny amin’ny CCI Ivato, omaly. Nahitsy izy ireo. « Takinay ny tsy hisian’ ny fifanilihana ary aoka tsy ho resaka fotsiny izany fa haseho amin’ny fomba fiasa », hoy ny filohan’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Notsiahiviny fa […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitohy ny fakankevitra niarahana tamin’ireo mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany. Nifantoka tamin’ny famaritana ireo «Akora mineraly stratejika» (SMS) misy eto Madagasikara ny natao teny amin’ny BCMM Ivato, omaly. Nambaran’ny minisitera fa tafiditra ao anatin’ny fanadiovana sy fanovana ity seha-pihariana ity isika izao. Dingana vitsy sisa dia ho afaka hitrandraka amin-kalalahana […]
Indostria: Omen-danja ny vokatra mampiavaka ny faritra
Hanolotra volavolan-dalàna ho fanandratana ny vokatra mampiavaka ny faritra tsirairay avy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) ho fiarovana izany. Tetikasa iarahany amin’ny Omapi, rantsamangaika misahana ny fizaka-manana ara-indostria. Tafiditra ao anatin’izany ny vokatry ny fambolena, ny asa tanana ary ny vokatra voahodina. […]
Vokatra fanondrana : Atao malalaka ny vidin’ny lavanila
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana fa atao malalaka ny vidin’ny lavanila manoloana ny fitobahan’ny tahiry eto an-toerana sy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Fepetra noraisin’ny komity teknika momba ny lavanila izay misy ny fiadidian’ny Repoblika, ny Primatiora sy ny minisitera samihafa izany. Tanjona ny hahafahan’ireo mpisehatra manitsy malalaka […]




