Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Natao tao amin’ny BNGRC, tamin’ity herinandro ity, ny fivoriana niarahan’ny prefektiora 18 mane­rana ny Nosy, ho fanomanana ny taom-pahavaratra 2025–2026. Nandinika ireo asa vita sy ireo fepetra ilaina hiatrehana ny tranga ara-toetr’andro. Anisan’ireo nandray anjara ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, izay nitondra ny vinavina momba izany ho an’ny […]

Vaksiny miaro amin’ny HPV : Marisarisa hamela ny zanany ny ray aman-dreny

Zava-doza ny tsimokare­tina Papillomavirus humain (HPV) aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Mi­tarika amin’ny homamiadan’ ny vozon’ny tranon-jaza izany, antony faharoa mahafaty ny vehivavy eto Madagasikara sy maneran-tany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Médecins du mon­de, Rakotovololona Nathalie. Ireto farany izay ao anatin’ny Coalition forum génération égalité (FGE) miady ho an’ny […]

OIF-Fampianarana teknika : Ho an’ny tanora ny tetikasa D clic

Nihaona ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF), notarihin’i Laurentiu Hristea. Nidinika ireo tetikasa fanofanana mipaka avy hatrany amin’ny fampananana asa ny tanora izany. Efa nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ny taona 2022, mifototra amin’ny fampiofanana ireo mpampiofana ( […]

SOS Villages d’enfants : Omena sehatra amin’ny fakan-kevitra ny ankizy

Nanomboka omaly, tetsy Ambodivona, ny fakan-kevitra nasionaly tanterahin’ny fikambanana SOS Villages d’enfants. Hiitatra manerana ny Nosy, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Raharinarivonirina Maria, ny hetsika. Hisongadina ao anatin’ny fakan-kevitra ataon’ny SOS Villages d’enfants ny fanomezana sehatra ny ankizy haneho hevitra. Hi­tondra ny hetahetany sy handrafitra ny hoaviny amin’ ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana miaraka ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM noho ny fiparita­han’ny vaovao tsy marina sy tsy marim-pototra momba ny fanasana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, hiatrika ny fikaonandoha. « Tsy mahalala ary tsy nanasa sy tsy ambadiky ny fanaparitahana izany fanasana izany izahay », hoy izy ireo, afakomaly. Hentitra ny […]