Auteur/autrice : Adnews

Asa fiomanana mialoha hitantanana ny loza : Hamoaka tondrozotra iraisana ny firenena ao amin’ny Sadc

Nanomboka omaly, eto Madagasikara, ny fivorian’ny firenena afrikanina mivondrona ao amin’ny Sadc, miasa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Haharitra hateloana ny fifampizarana ho an’ny firenena mpandray anjara, eny Alarobia. Hivoaka aorian’ny fihaonana ny lesoka sy ny vokatra tsara ary ny fa­nararaotra hamolavola tondrozotra iraisan’ny firenena rehetra mpandray anjara […]

Drafitrasa Asecna : Mitaky ny fitsinjarana ara-bola ara-drariny i Madagasikara

Natao tany Dakar Se­né­gal, ny 21 novambra 2025 teo, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny Vaomieran’ny minisitra ao anivon’ny Asecna, Fikamba­nana iraisam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily aty Afrika. Nan­katoavina ny drafitrasa stratejika (POS) ho an’ny taona 2026-2035, ny drafitrasam-pitantanana sy ny fampitaovana (PSE) 2026-2030 sy ny drafitrasa famatsiam-bola azy. Nitarika […]

PLFI 2026 : Lany nasiam-panitsiana teny Tsimbazaza

Aroso eny amin’ny Antenimierandoholona, anio, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2026 izay lany teny amin’ny Antenimierampirenena omaly. Izy ireo indray no hidinika ny fanovana napetraka. Hatolotra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny PLFI raha toa ka tsy misy ny fanovana entin’ny Antenimieran­doholona. Hivoaka aorian’izay ny didim-panjakana ho […]

INDRAY MIJERY

Hankalaza ny faha-100 taona nijoroany ny valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT), iray amin’ireo ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ho fanomanana izany, mitohy ny asa ataon’ireo komitin’ny fanarenana, ahitana minisitera maromaro, ny Fanabeazam-pirenena, ny Serasera sy ny kolontsaina, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nijery ny zava-misy tao […]