Toy ny isan-taona, notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Imamba Soavimasoandro, ny fankalazana ny Andron’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Rugby club tanora Soavimasoandro (RCTS). Notsiahivin’Andrianarisoa Avotra, filohan’ity fileovana ity fa efa miditra amin’ny andiany faha-13 izany amin’izao fotoana. Dingana manaraka ny fananganana efitrano fatoriana sy fiofanana. Tanjona ny hahamora ny fampivondronana […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Mandeha ny resaka fa hatao aty Antananarivo ny fihodinanana faharoa ho an’ireo ekipa nifanintsana tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray omaly, efa nanome toky ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa hanome ilay vola 43 tapitrisa Ariary ho an’ireo mpitsara. Tsy manaiky ny hitsara ireo mpitsara any Mahajanga raha tsy voarain’izy […]
Federasionina Muay thai : Mampirisika ny klioba hikarakara fifaninanana
Tonga nanotrona ny “Muay Thai Tournament 3”, natao tany Toamasina, ny alahady lasa teo, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais. Nidera sy nankasitraka ity fifaninanana ity izy ary nilaza fa fampiroboroboana ny taranja no atao ka mendrika halain-tahaka. Nampirisika ihany koa ireo klioba hafa hikarakara fifaninanana toy […]
Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika : Hiatrika ny ampahefa-dalana «tir de précision» i Mamy
Mametraka ny anarany atsy Afrika ny ekipa malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Porofon’izany, tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision» i Mamy Ronaldinho. Omaly vao niditra an-tsehatra ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]
Lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra : Naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra
Nipoitra ihany ny nafenina sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy mpamerin-keloka izay nahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny tsy fandriampahalemana tao Mananara Avaratra, faritra Ambatosoa. Nifarana amin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra izany, dia i Boto Elvis. Raha tsiahivina, nisy fanafihana mitam-piadiana Cash point nitranga tao amin’ny fokontany Andraokaraoka, […]




