Auteur/autrice : Adnews

Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanadiovana ny tokotany ny Panorama

Tsy an-kiandriandry. Efa nanomboka ny fikaonandoha, amin’ny alalan’ny dinika Santatra, ny eo anivon’ny Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara (Panorama), natao teny Itaosy, ny herinandro teo. Anisan’ny voaresaka ta­min’izany ny momba ny fanadiovana ny toko­tany, mialoha ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàm-pifidianana  tokana amin’­ny alalan’ny fanavao­zana ifotony ny fitantanana izany. Eo […]

INDRAY MIJERY

Hisy fandidiana maimaimpoana hydrocèle (Voa Be), hernie, ary famorana hatao ao Ambilobe, ny 25-29 novambra; ao Sambava, ny 1 ka hatramin’ny 4 desambra ary ao Antalaha, ny 5 ka hatramin’ny 9 de­sambra. Mikarakara ny hetsika ny fikambanana Fitefa. Afaka mangataka fanazavana sy misoratra anarana amin’ny laharana 032 44 119 20 ireo […]

Hetsiky ny minisiteran’ny Mponina : Ezahin’ny fitondrana hahaleo tena ny vehivavy

Tsy an-kiato ireo hetsika samihafa tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, amin’ny alalan’ny minisitra, Raharinirina Sido­nie. Anisan’izany ny fampiofanana ny vehivavy sy ny zatovovavy ho an’ny tao Ambo­himahasoa, ny herinandro teo. Nifampizaran’izy ireo niaraka tamin’ny solontenan’ny minisitera sy ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ ny fampandrosoana ny faritra […]

Ady amin’ny VIH/Sida : Entanina ny mpianatry ny teknika

Ampahany lehibe amin’ny fanomezana fanabeazana sy fampiofanana kalitao ho an’ny mpianatra ny fampiofanana ara-pahasalamana. Anisan’izany ny fanentanana sy fiarovana amin’ny VIH/Sida, aretina mbola mitombo hatrany amin’izao fotoana izao. Tontosa ny volana oktobra teo, nandritra ny hefarana, ny fiofanana ho an’ireo mpianatra JPE tao amin’ny LTP Toliara sy ireo mpanabe ao […]

Ankizy 400 tapitrisa miaina anaty fahantrana : Mila mametraka politika mahomby ny fanjakana

Ambony ny ambana hidiran’ny ankizy maro anatin’ny fahantrana noho ny fampihenana ny vola fanampiana natokana hampiasaina hiarovana azy ireny, maneran-tany. Maherin’ny 400 tapitrisa ny zaza miaina anaty fahantrana ka tsy afaka mahazo sakafo sahaza sady tsy midio araka ny filana andavanandro, araka ny tatitra navoakan’ny Unicef tao anatin’ny fanamarihana ny […]