140 ny mpiasa mampihodina ny Cnapmad, foibe mpamokatra fitaovam-pianarana sy boky enti-mampianatra, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny disadisa momba ny fitantanana eo anivon’ity foibe ity mahakasika ny mpiasa sasany sy ny tale jeneraly. Nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpiasa, Rafilahy Rodin, fa misy ny antsojay mihatra amin’izy ireo. Sady manao […]
Auteur/autrice : Adnews
Fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza : Hampiantrano ny fivoriana i Madagasikara
Handray ny fihaonana an-tampon’ny firenena afrikanina aty amin’ny faritra andrefana, ao amin’ny vondrona Sadc, misehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza i Madagasikara. Hatao ny 25 ka hatramin’ny 27 novambra ho avy izao, eny Alarobia, izany. “I Madagasikara no miantoka ny fanamorana ny fivoriana sy mampiantrano izany fa ny […]
TARATRY ny KANTO
«Ankizy Mozika Festival». Hotontosaina rahampitso, etsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny andiany faha-5 amin’ny hetsika ho an’ny ankizy, karakarain’ny CGM/ GZ. Hanomezana sehatra ireo ankizy manan-talenta eo amin’ny mozika izany, amin’ ny hira na amin’ny fiangaliana zavamaneno. Misy ny avy amin’ny sekoly mampianatra mozika, misy kosa ireo manan-talenta hafa. Ho […]
Baolina kitra – D2 National : Tsy raikitra ny lalao, nitokona ny mpitsara
Omaly 21 novambra ny daty voatondron’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) hanombohan’ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena «D2 National». Tsy raikitra ny lalao ho an’ireo miatrika izany any Mahajanga. Nitokona ireo mpitsara lalao ary nilanja sorabaventy tao amin’ny Kianja Rabemananjara, tokony hanaovana ny fifaninanana. Takin’izy ireo ny handoavana ny tambin-karamany tamin’ny […]
Soatoavina, kolontsaina…: Mila omena laka ny fahasamihafana
Tenenina matetika ny fiovana, fanovana… Fa, tsara ihany koa ny fananana fijery mivelatra. Mila omena laka ny fahasamihafana eo amin’ny soatoavina, fomba amam-panao, sns, mampiavaka ny faritra na toerana tsirairay. Izany hoe, miainga any amin’ny fototra. Ny monina na ireo mitoetra ao amin’ilay toerana na faritra (mpiaramonina) no manome laka […]




