Auteur/autrice : Adnews

Fiderana Jobily Lehibe- Ampifitia: hifampizara hery hanan-ganana kianja synthétique

Hanolotra seho etsy amin’ny FJKM Rasalama Martiora Manarintsoa Namehana, ny alahady 6 septambra ho avy izao, ny Ampifitia FJKM Isotry Fitiavana. Fiderana Jobily Lehibe, iarahan’ny Fiombonan’ny mpanao gazety kristiana malagasy sy ny Ampifitia ary ny komity fankalazana ny faha-200 taonan’ny se­koly Rainisija Manarintsoa Namehana ny hetsika. Hanom­boka amin’ny 3 ora […]

Urban Flow Festival: hanehoan’ny tanora an-tanàn-dehibe ny kolontsaina

Nanomboka omaly, hitohy hatramin’ny alahady, eto an-dRenivohitra, ny hetsika an-tanàn-dehibe, “Urban Flow Festival”. Maro ny hetsika tanterahina eo amin’ny Parvis Analakely. Miandrandra ny fandraisan’ny tanora maro anjara ny mpikarakara. Fo­toana natokana hanehoan’izy ireo ny fahaizany amin’ny ko­lontsaina iainany ireo fotoana ireo. Ho an’ireo mpiangaly sy mpankafy ny dihy an-tanàn-dehibe “Urban […]

Teknôlôjia sy hira: manomboka voailika maneran-tany ny « Intelligence Artificielle » na IA

Tsy eto an-toerana ihany fa mipaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Any Aostralia, tsy ekena ho zavakanto vokarin’ny aingampanahy ireo hira vokarina amin’ny « IA ». Nanara-dia ihany koa ny any Kanada… Nitondra fiovana lehibe maneran-tany ny niroboroboan’ny «Intelli­gen­ce Artificielle» na «IA» tao anatin’ny taona vitsy. Saika mampiasa na ampiasaina azy io […]

Vaovao tambatra

Nidina ny vidin’ny vary hafarana avy any ivelany. Nahatonga izany ny fampiatoana ny haba sy ny hetra alaina amin’ny fanafarana vary. Tafaverina ho 650 Ar ny vidin’ny iray kapoaka, ankehitriny, any amin’ny faritra Anôsy, ary 100 000 Ar ny iray gony. Manana tahiry 20 000 t any an-toerana. Nisy fidinany […]

Papriz 4: hifantohana ny fanodinana indostrialy

Mitohy ny fiaraha-miasa! Natao sonia ny 31 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny Antokondraharaha japoney ho an’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) sy ny governemanta malagasy. Mirakitra ny tetikasa fampiroboroboana sy ny fanodinana indostrialy ny sehatry ny vary, andiany faharoa, antsoina hoe Papriz 4 izy io. Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny […]