Auteur/autrice : Adnews

Toamasina: hamokatra herinaratra 53 MW ny Spat

Hanorina orinasa mamokatra herinaratra, Spat Ener­gie ny eo anivon’ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa PMLP-T, ka hananganana toby manokana hamokatra herinaratra 53 MW, izany. Hamatsy herinjiro izay ilain’ny seranan-tsambo sady hanampiana ny famatsian’ny Jirama sy ireo orinasa ao Toamasina ny tetikasa. Efa notinapaky ny filankevitry […]

Banky Foiben’i Madagasikara: manangon-kevitra ho an’ny « taxonomie verte »

Tanterahina mandritra ny iray volana ny dinika fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Mahakasika ny « Taxonomie verte » na ny tetikasa sy asa ara-toekarena mahafeno ny fepetra maitso izany. Manokatra dinika fanakalozan-kevitra amin’ny besinimaro miomba ny volavolan-drafitra «Taxo­nomie verte» ny Banky foiben’ i Madagasikara (BFM). He­tsika atao hametrahana ny […]

Fantina sy fintina

Tsy handroso i Madagasikara raha tsy homena fahefana hitantana ny fiarahamonina misy azy sy ny harena ao aminy ny fokonolona eny ifotony. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Fandrosoa faritsy iaby ho an’i Madagasikara (Fy M), Raderanirina Sandrison Daniela, izay efa kandidà ho filohan’ny Repoblika tamin’ny 2023. Ny olona miaina […]

Tsy ho kibay an-kelika !

Mazava kosa ny finiavana, hatreto! Efa miaka-dapa sy miara-midinika amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny hery velona rehetra na ireo nosokajiana ho “forongony” iringiriny aza. Tsy hidirana lalina izay voambara any anatin’ny fifandaharana sy ny fifanakalozan-kevitra. Ny zava-dehibe aloha, mivoaka miabo ny sary ho an’ny mpitarika ny Fanavaozana. Efa betsaka rahateo ny […]

Komity teknikan’ny fikaonandoha: voatendry ny mpikambana miisa 39

Nankatoavina sy nosoniavin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, omaly, ny taratasy mirakitra ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny Komity teknika ho an’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny di­dim-pitondrana laharana faha-29037/2026. Miisa 39 izy ireo no mandrafitra izany komity izany, mitsinjara amin’ny so­kajy samihafa. Voasolo tena ny andrimpanjakana voakasika, ny rafitra isan-tsokajiny, ny fiangonana […]