Auteur/autrice : Adnews

SMGD- Naina Andriantsitohaina: « Tsy misy idiran’ny vadiny », hoy ny Me Andrianarivoson Nicole

Mbola tazomin’ny Bianco, eny Ambohibao, ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. « Tsy misy idirany ny raharahan’ny SMDG sy ny kaominina. Mampieritreritra ny fitazomana azy », hoy ny mpisolovava, Me Andrianarivoson Nicole. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antani­me­na, omaly, ny Mpisolo­vava ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. No­tsiahiviny ny tranga […]

Sendikà Triade: Nivaly sahady ny fitakiana

Taorian’ny fihaonambe na­taon’ny sendikàn’ny Triade (dokotera, paramedy, mpandraharaha), ny faran’ny herinandro teo, no nahafantarana fa efa nivaly ny ampahany amin’ny fitakiana ataon’izy ireo. Efa hiakatra 14% ny karaman’ny mpiasan’ny fahasalamana. Nahazo ny tambiny ho an’ny hofan-trano 200 000 Ar ihany koa izy ireo. Ankoatra izay, ny tambiny amin’ny risika eo […]

Fomba fandrindram-piterahana: Mety tsy haharaka ny filàna

Mampitaintaina ny maro ny mety tsy hisian’ireo fitaovana fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana… Mandalo krizy mihitsy izany noho ny fialan’ireo mpamatsy vola. Natao tany Bogota, renivohitr’i Colombie, tamin’iny herinandro iny, ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandrindrana ny fiai­nam-pianakaviana sy ny fahasalamana ara-pananahana (ICFP 2025) andiany fahafito. Mampivarahontsana ny mpizaika ny fahitana […]

Filoha Randrianirina Michael sy ny Sadc: « Hiezaka amin’ny dingan’ny fanavaozana izahay »

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitra eo amin’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany, sady sambany, ny filoha ny Kly Randrianirina Michael. Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitr’i Madaga­sikara amin’ny fialana tsy ho mpitantana ny Sadc. « Ezaka ataonay izao ny fifantohana ny fanatanterahana ny […]

Raharaha Cnaps sy SMGD: Nosavaina ny tranon’ Andriantsitohaina Naina

Nosavaina omaly ny tranon’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, etsy Andranobevava. Nanatanteraka izany ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily. Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny anton’izany ny «Raha­ra­ha Cnaps sy ny SMGD», orinasa eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Tsy hita teny an-toerana, ta­min’ny fisavana anefa, ny mi­nisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, […]