Nanao antso avo amin’ireo mpilalao kalaza teo aloha, miandrandra fandrosoana amin’ny baolina kitra, ny lehiben’ny klioba Ajesaia, Ravelonarivo Jasmina. “Atombohy aminareo aloha ny fampandrosoana ny baolina kitra. Jereo ny tany niaviana, jereo ny klioba namolavola anareo. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy hetsika fanampiana ho an’ny klioba niaviana,” hoy izy. Nilaza […]
Auteur/autrice : Adnews
« Ankizy milalao»: Nahavory kilonga miisa arivo mahery
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Azo lazaina fa nahomby tanteraka ny hetsika izay nokarakarain’ ny Analakely Football Academy (AFA) tamin’ity, satria nahatratra 1 200 isa teo ireo ankizy mpilalao baolina kitra tonga teny an-toerana. Nisy ny natao […]
DAKA AN-JORONY: Aza mitsabo manao antsirambina
Mikiky miadana ao anatin’ny fikorontanana tanteraka ny olana eo amin’ny taranja baolina kitra sy ny rugby amin’izao fotoana. Tsy takona afenina toy ny vatan-kandrina ny zava-misy. Misy aretina, miverimberina ary mbola tsy ahitam-panafody hatramin’izao. Tsy vao izao akory izany fa efa hatramin’ny ela ary mbola tarazo mandraka ankehitriny. Koa aza […]
“Muay Thai Tournament 3” : Ady 17 no hitranga any Toamasina
Hotanterahina any Toamasina, ny 23 novambra izao, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, karakarain’ny GISL. Efa vonona tanteraka ny fanatanterahana ity fifaninanana ity. Raikitra ny fifaninanana! Andro sisa andrasana, araka ny nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas, avy amin’ny ny GISL (Grande île sports loisirs) mpikarakara. Efa roa herinandro izao no nandeha […]
TARATRY ny KANTO
Tontosa ny sabotsy teo ny “Sehatra BaGasy”, tamin’ity volana novambra ity. Nisy ny “Fampitaha” izay nifanandrinan’ny lehilahy sy ny vehivavy, tao amin’ny sehatry ny Aro Antsahavola. Tsy nisy resy sy mpandresy fa nampiakatra avo ny zavakanto amin’ny alalan’ny famerenana ireo hiran’ny omaly sy ny hira teatraly izany. Mbola hisy ny […]




