Nesorina tamin’ny toerany ireo tale jeneraly maromaro eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, omaly. Voatendry ho tale jeneralin’ny Sampandraharaham-pirenena miady amin’ny hosoka « Agence nationale anti-fraude » kosa ny Kly Andrianasoavina Charles. Hanao fitsirihana ireo minisitera sy Andrimpanjakana ny mpisafo raharaham-panjakana (IGE). Haharitra 90 […]
Auteur/autrice : Adnews
Maka Alphonse : “Tsy manan-jo hanao fahadisoana intsony isika”
“Io no hamaritra ny dingana mandritra ny Tetezamita. Kihon-dalana ho an’ny firenena izao. Tsy manan-jo hanao fahadisoana intsony isika”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Homanina sy halamina ary hatao tsara ny raharaha. Tsy maintsy miainga any ifotony ny fihaonambem-pirenena. Farafaharatsiny […]
Miova vao manova
Fanovana sy fanavaozana no hoe (h)atao amin’izao? Na fanorenana ifotony… Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Misy entim-pahazarana amin’izay lazainy sy ataony. Ahoana no hisian’ny fanovana amin’izany? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vao na mihavao no afa-kanavao. Aiza ho aiza? Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny mpanao […]
Fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina : Hafaiganina ireo tetikasa famatsian-jiro sy rano
Fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara. Io no anisan’ny nifantohan’ny dinika teo amin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina, i Roland Kobia sy ny praimanisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly. Voaresaka tamin’izany ny amin’ny ho fizotry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nampahafantarin’ny vahiny ny fikasan-dry zareo hanokatra indray ny famatsiam-bola sasany, izay voasakana nandritra […]
TSELATRA
Lehilahy iray 20 taona tratran’ny fitsaram-bahoaka tetsy amin’ny Rond-point Volahanta Anosibe, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Nikasa hanolana ankizivavikely enin-taona izy no nisy nahita ka nosamborin’ny fokonolona. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy taorian’ izay ary nentina any amin’ny biraon’ny polisy Mahamasina. Olona dimy namoy ny ainy vokatry ny fifandonana teo […]




