Auteur/autrice : Adnews

Fidinana an-dalambe : Miaraka ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana

Misafotofoto ny toe-draharaha! Tafapetraka ny fitondrana vaovao anatin’ny fibaikoana ny Miaramila. Mbola am-perinasa ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra. Efa tazana eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny ankamaroan’ny mpanao politika, mpanohitra. Hitohy anio ny fitokonana faobe. Miara-dalana ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Nitsimbadika tanteraka ny fizotry ny tantara, afakomaly! […]

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika ny mpitari-tolon’ny Gen Z, nandritra ny fandraisam-pitenenany teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly. Hanomboka hitokona isan’andro eny an-toerana izy ireo ary hitety ny minisitera rehetra tsy hisy hanohy ny asa andavanandro intsony. Nilanja sorabaventy teny Ankorondrano sy ny manodidina ireo tanora […]

Fomba fiasa teknika eny ifotony: Hofaritana ny sisin-tanin’ny fokontany

Notanterahina ny herinandro teo ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny Foiben-taontsaritanin’i Madagasikara (FTM) sy ny sampandraharan’ny fandrefesan-tany (DST), eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny nifantohan’ny lohahevitra ny lafiny teknika sy stratejika mba hirosoana amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fananantany sy ny fanajariana ny tany. Anisan’ny nifanakalozana hevitra […]

Am-bavam-pihaonana

  Rava ny firenena miady an-trano? Tsy misy resy, tsy misy mpandresy… Sanatria, samy potika an-toerana. Am-bavam-pihaonana? Mbola misy ny azo atao, fa tsy manary toky. Amin’izany, misy hatrany ny mampiaka-peo fa tsy misy fihaonana na fifampidinihana azo atao na mety ho tanteraka amin’izao, raha tsy misy ny fandriampahalemana sy […]

Fiadidiana ny Repoblika : “Ny fifampiresahana no vahaolana amin’ny krizy”

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fiantsoana fifampiresahana mba hamahana ny olana misy amin’izao fotoana izao. «Ny fiadidiana ny Re­poblika dia ma­nambara amin’ny vahoaka sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena fa misy ny fikasana haka an-keriny ny fahefana amin’izao fotoana izao, eto amin’ny tanin’ny Repoblika, […]