Auteur/autrice : Adnews

Mahajanga: Sigara hosoka 57 600 « cartouches » avy any Azia

Miady amin’ny trafika hatrany ny ladoany malagasy. Sarona tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny 22 septambra teo, ny « cartouches » sigara hosoka, « Good look », miisa 57 600 fonosana. Nahazo antontam-baovao avy amin’ny La­doany renioney ny Fa­dintseranana malagasy. Voa­laza fa misy kaontenera mampiahiahy ny entana ao anatiny avy any Azia. Nigadona tany amin’ny seranan-tsambon’i […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ny fivoriambe faha-29 ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) ao amin’ny sahan’ny FJKM. Natao tamin’izany ny fiarahabana ireo mpiasa vaovao hiasa ao anatin’ny synodam-paritany. Mamokatra be, mamokatra tsara, mamokatra maharitra, izay no hafatra nentin’ny filohan’ny FJKM nandritra izany. Anisan’ny iharan’ny fikorontanana noho ny hetsi-bahoaka […]

Vaksiny Anti-HPV : Natao ho an’ny ankizivavy mbola virijiny

Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ho an’ny ankizivavy 9 ka hatramin’ny 14 taona, manerana ny Nosy. Efa nisy ny fitetezam-paritra nataon’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana na­nentana tamin’ny toerana rehetra sy ny sekoly ho fandresen-dahatra ny tanora eo amin’io taona io sy ny ray aman-dreny hampirisika […]

Lycée maromaro: Mitokona ny mpampianatra

Efa nanao fanambarana ny amin’ny fampitsaharana ny fampianarana hatramin’ny herinandro teo ka mampihatra ny « service zero » ny Lycée maromaro. Nisantatra izany ny LMA Ampefiloha, ny Lycée Jules Ferry Faravohitra, ny Lycée Ivato… Tsy manaiky ny hampianatra ireo mpampianatra ary nampahafantatra ny mpianatra sy ny ray aman-dreny mahakasika ny fitsaharan’ny fampianarana. Iraisana […]

Vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026 : Ahina ny tsy fahampian-drano amin’ ny faritra Androy, Atsimo Andrefana

Notanterahina ny herinandro lasa teo ny famoahana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026. Tanjona ny hampahafantarana ara-potoana ny fizotry ny fahavaratra ho an’ny mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka. Andrasana ny atrikasam-pirenena hatao mivantana amin’ity volana ity. Vinavinaina hifanakaiky amin’ny tokony ho izy ny vanim-potaonan’ny rivodoza amin’ity taona 2025-2026 ity. Tokony hanodidina ny 1 hatramin’ny […]