Manomboka izao dia voaara-maso ara-potoana ireo tranga fanimbana ala any anaty valan-javaboahary. Arifomba ny fitaovan’ny Sinergi-MNP amin’ny fitsirihana sy ny tatitra hifehezana haingana ny tranga. Nisitraka fitaovana vaovao sy moderina manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny Madagascar National Parks (MNP). Nampahafantarina, omaly, teny Ambatobe ny Sinergi-MNP izay rafitra nasionaly hanatevina ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Hitafatafa amin’ireo liana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika i Edwelle Zafindrazana Ralaiaridimby. Izy no talen’ny Ivontoerana ho an’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara, na ny ISSM amin’izao fotoana. Hotontosaina rahampitso alarobia 12 aogositra, amin’ny 3 ora tolakandro izany, eny amin’ny ESM Ampandrana. Anisan’ny lohahevitra horesahana ny “ISSM Festival Film Awards 2026”. Eo […]
Famadihan-drazana sy famorana: Mila hamafisina ny foto-pisian’ny fomba
Endrika ivelany. Manomboka mibirioka. Vao mainka fa ny fototra ? Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao no hanatanterahina ny famadihan-drazana sy ny famorana. Ao ihany koa no ahitana ny fitokanana tsangambato (fasana). Nanana ny antony na ny fotom-pisiany tsirairay avy izy ireny. Manaja izany ny endrika ivelany. Tsy izany ny zava-misy […]
Zaridainan’Antaninarenina : Handray ny « Hosotra 2026 »
Misokatra amin’ny seha-kanto marolafy ny « Hosotra » amin’ity. Nivelatra tamina mpanakanto maro ihany koa, izay hasongadina etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Tsy hosodoko sy sary fotsiny intsony. Handray ny saripika, sokitra, sarimihetsika, slam poezia, sy ireo seha-kanto hafa ny «Hosotra» amin’ity. Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 29 aogositra izany, araka ny fampahafantarana teny amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Manatanteraka fakan-kevitra momba ny ho avin’ny vola taratasy sy ny vola madinika eto Madagasikara ny Banky Foibe. Hetsika tafiditra ao anatin’ny faha-100 taona nanontana sy namoahana voalohany ny vola taratasy malagasy. Sehatra iray nihainoana sy hifampizarana ireo ahiahy sy olana sedrain’ny olom-pirenena eo amin’ny fampiasana andavanandro ny vola taratasy sy […]




