Nambaran’ny PDS an’Antananarivo, Ralambomanana Feno, omaly, fa mitentina 50 000 Ar no zakan’ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ilay resaka tambin-karama amin’ny trano fonenena « Indemnité de logement”. « Io ihany rahateo koa no efa nifampiresahana tamin’ny mpiasa », hoy ihany izy. Tsiahivina fa nitaky izany ho 200 000 Ar ireo mpiasan’ny kaominina ary […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampandrosoana eny ifotony: Manao fotodrafitrasa sy asa sosialy ny Gasy miarina
Misehatra amin’ny fampandrosoana eny ifotony manoloana ny asa ataony ny orinasa Gasy miarina. Misedra olana anefa izy ireo amin’izao fotoana izao. Manao asa sosialy sy mitondra ny tamberin’andraikitra eo anivon’ny kaominina Ankadintany, distrikan’i Manandriana, Amoron’i Mania ny orinasa Gasy miarina. Eo koa ny fanamboara-dalana sy fotodrafitrasa maro samihafa. Miantraika amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Mamerina sy mampahatsiahy ny fitsipiky ny fahadiovana ho an’ireo mpampiasa ny hopitaly ny tompon’andraikitry ny CHU HJRA. Andraikitry ny rehetra ny fahadiovan’ny fotodrafitrasa iombonana toy ny hopitaly. Voakasik’izany ny mpiasan’ny hopitaly, ny marary, ny mpiandry marary, ireo mpamangy marary. Samy manana ny anjara andraikitra amin’ny fitazomana ny hopitaly ho madio, […]
Distrikan’Ambohidratrimo: Mivoaka ny tetiandro fitsarana miaramila
Nivoaka ny tetiandro hanatanterahana ny fitsarana miaramila ho an’ireo tonga taona rehetra ho an’ny distrikan’ Ambohidratrimo. Ireo tovolahy sy tovovavy teraka teo anelanelan’ny taona 1995 hatramin’ny taona 2007 (19 taona ka hatramin’ny 31 taona) no voakasin’izany. Ho an’ny fitsarana miaramila taona 2026 izao hotanterahina izao. Hotanterahina ao amin’ny Tranompokonolona izany […]
Aretina lefakozatra: 1 173 000 ireo zaza atao vaksiny any atsimo
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny hetsika fanaovam-baksiny faobe iaidiana amin’ny lefakozatra ho an’ny faritra Androy. Haharitra 4 andro ny hetsika amin’ity andiany voalohany ity. Faritra 5 any atsimon’i Madagasikara no hisitraka izany dia Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Ihorombe. Ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny 2 taona […]




