Auteur/autrice : Adnews

Tsy fanarahan-dalàna eto anivon’ny CUA: tafakatra hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny lamandy

Sazy avy hatrany no ampiharina ho an’ireo tsy refesi-mandidy eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Ankoatra ny sazy dia eo koa ny lamandy izay tafakatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ariary. Rehefa natao ny fanentanana sy ny fialana nenina rehetra nandritra ny taona maro sy fotoana lava dia miroso amin’ny fampiharana ny sazy sy […]

Namono an’i Stéphanie sy Haingotiana: maty voatifitra izy efa-dahy tompon’antoka

Maty voatifitry ny polisy ireo tovolahy miisa efatra, tompon’antoka tamin’ny famonoana roa vavy hita faty teny Ambohimanga Rova, ny alahady 23 aogositra teo. Nanohitra ny mpitandro filaminana izy ireo ka antony nitifirana azy. Mbola hita avokoa ny porofo rehetra sy ny fitaovana nanaovan’izy ireo ny asa ratsy. Maty voatifitry ny […]

Basikety – Mada U16, tovovavy: Lavon’ny Pintade ny Ascut

Notanterahina ny alakamisy lasa teo ny dingana ampahavalon-dalana iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja basikety, sokajy U16, lahy sy vavy.  Fihaonana atao any Amoron’i Mania. Anisan’ ny vokatra nisongadina ny fandresen’ny Pintade Amo­ron’i Mania ny Ascut Atsinana­na, tamin’ny isa tery 58 no ho 53, ho an’ny tovovavy. Lalao niady hatramin’ny farany. […]

Taranja bisikileta – Fifaninanana nasionaly: Hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Alakamisy Fenoarivo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja bisikileta, sokajy rehetra, lahy sy vavy. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta (FMC), Relahy Jean Claude, omaly, natao hitsirihana sahady ireo izay handrafitra ny ekipa nasionaly ity fifaninanam-pirenena ity. “Raha tsy […]