Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka anio, eny amin’ny CCI, Ivato, ny fikaonandoham-pirenena. Nefa mahabe resaka ny amin’ny hoe olona fito aloha no hivory: ny filohan’ny fiangonana efatra mirahalahy, ny filohan’ny Fanavaozana sy ny Praiminisitra ary ny minisitra misahana ny Fanavaozana. Naneho ny heviny ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Tsara tahafina, […]
Auteur/autrice : Adnews
Misalobon-komana!
Tsy misy andro iray angamba tsy ahenoana fifandiran-kevitra eto amin’ity firenena ity. Manomboka amin’ny rafitra an-tanantohatra ambany izay, hatrany amin’ny fara-tampony. Miverina indray ny tsy fitoviam-pijery sy filalaovana lalàna ataon’ny mpahay an’izany. Tsy hay intsony, iza no tompon’ny marina sy ny tena izy? Samy mitondra ny lohany avokoa. Tsy […]
Fanenjehana mpitsara ambony: Mamaly bontana ny HCC
Mamaly ny fanambaran’ny minisitra Ernaivo Fanirisoa, ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na HCC. « Fanosihosena ny lalàna ny fanenjehana azy ireo », hoy ny sekretera jeneraly, Ranesa Firiana. Niloa-bava, omaly, ny avy ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny HCC fa fanitsakitsahana ny lalàna […]
TSELATRA
Tra-doza tampoka, saika tery tao ambany kamiao ny lehilahy iray nanolo kodiarana, tao Ambositra, omaly. Nilatsaka tampoka ny tohana nampiasain’io olona io. Avotra noho ny fisian’ilay kitapon-drivotra lehibe tamin’ilay kamiao izy. Tovovavy iray mpianatra eny amin’ny St Michel Itaosy hifampitadiavan’ny fianakaviany, nanomboka afakomaly. Niala ny trano fonenany, hiditra amin’ny 1 […]
Mpitrandraka volamena : Olona 11 maty nihotsahan’ny tany
Mpihady volamena miisa 11 niara-namoy ny ainy nianjeran’ny ranontany tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Niherenana, distrikan’i Vatomandry, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nihady lavaka ary tonga teny an-kianja vao maraina be, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any, ireo olona ireo, raha ny fanazavana voaray. Nihotsaka tampoka anefa ny […]




