Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Tolona, voatery nahena ny isan’ireo delegasiona miaro ny voninahi-pirenena any Maroc, mandritra ny fifanintsanana “Beach Wrestling Africa 2025”. Hotanterahina any Casa Blanca Maroc, ny 3 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona amin’ny torapasika […]
Auteur/autrice : Adnews
Barean’i Madagasikara : Homena villa tsirairay ny mpilalao
Tonga an-tanindrazana ny Barean’i Madagasikara, omaly. Noraisina tamin’ny fomba manetriketrika izy ireo. Notoloran’ny fitondram-panjakana villa tsirairay avy ny mpilalao sy ny mpanazatra. Miavaka! Tafaverina omaly, teto an-tanindrazana, ny ekipa nasionaly Barean’i Madagasikara, izay avy niatrika ny “Chan 2024”, tany Kenya, Ouganda, Tanzania, ny 1-30 aogositra lasa teo. Rehefa tonga teny […]
FANTINA sy FINTINA
Miahiahy ny ain’ilay vahiny voasaringotra amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny mpisolovava azy, Rafidison Eric. Nambarany fa takiny hatrany ny hiarovana an’ilay tompon’ny orinasa Udaan aviation, Khuhwinder Singh. « Tsy jiolahy ny olona arovanay », hoy ihany izy. Tsiahivina fa miisa 22 ireo nampidirina am-ponja amin’io raharaha io. Nampiaka-peo ny avy amin’ny mpanohitra, […]
Filoha nasionalin’ny RPSD : «Manara-dalàna tsara ny tetiandron’ny Ceni»
Naneho ny heviny ny eo anivon’ny antoko RPSD, amin’ ny alalan’ny filohany, Andriantsizehena Benja Urbain (Bebain), mivondrona eo anivon’ny Armada sy ny Irmar. «Manara-dalàna tsara ny nataon’ny Ceni, namoaka ny volavolan’ny datim-pifidianana loholona ny 11 desambra izao», hoy izy, omaly. Nanteriny tamin’izany fa tokony hanaraka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny […]
Voninahi-pirenena
Hatramin’ny fotoana farany, niady mafy ho fiarovana ny voninahi-pirenena ny ekipa malagasy amin’ny baolina kitra, tamin’iny Chan 2024 iny. Tsy nitsanga-menatra. Vidin-kaja, vidim-boninahitra. Tsy vitan’izay, nampiombom-po sy nampiray hina ny Malagasy ny baolina kitra rehefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ireny. Ny voninahi-pirenena no iadiana sy arovana. Izay koa […]




