Naneho ny alahelony ka manao antso avo amin’ny filoha sy ny praiminisitra ary ny minisitry ny Fitsarana ireo mpandraharahan’ny fonja. Notanisain’izy ireo tamin’izany ny momba ireo mpiara-miasa aminy. «Maro ireo namanay voatazona am-ponja amin’ny tsy rariny. Ao ireo enjehin’ny Pac ka anisan’izany ny ao Mahajanga », hoy ny fanambaran’izy ireo ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Lehilahy 62 taona vao nahalafo trano hita faty tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Feramanga Avaratra, omaly maraina. Nifamaly tamin’ny vadiny tao Amparafaravola rangahy ka nentiny ny vola sasany vidin’ny trano ary izao hita faty izao. Zaza vao teraka 2 herinandro maty, ahina ho novonoin-dreniny tao Ianakonitra, kaominin’Andevoranto, distrikan’i Brickaville, afakomaly. […]
Toamasina : Mpangalatra resin-tory teo am-baravarana
Vaky ny trano iray tao amin’ny fokontany Analankininina Hopitaly Be, kaominina Toamasina, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 28 aogositra teo, saingy resin-tory teo am-baravarana niaraka tamin’ny findain’ny tompon-trano ilay jiolahy. Taitra tampoka ny rangahy tompon-trano, tokony ho tamin’ny misasakalina. Talanjona izy fa efa misokatra ny varavaram-be ary misy olona […]
Ambohipo : Roa lahy voasambotra
Voasambotry ny polisim-pirenena omaly maraina, teny Ambohipo, ny lehilahy roa mpanao hala-boty. Nifanehitra tamin’ny lehilahy anankiroa izay mirongo entana tamin’ny gony ny polisy. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto roa lahy ka nosavaina. Nahitana entana halatra maro samihafa, toy ny kojakojana an-tokantrano, kiraro sy ny maro hafa, teny amin’izy ireo. Fantatra fa vao […]
4X4 nifandona tamin’ny moto: raim-pianakaviana iray namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny kaominina Soavinandriana Itasy, ny sabotsy tolakandro teo. Nipitika teny ambony moto nentiny izy. Fandehanana mafy sy tsy fitandremana avy amin’ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana no nitarika ny lozam-pifamovoizana namoizana ain’olona tao Ambohibao, fokontany Tamoronala Firaisana, kaominina Soavinandriana, distrikan’Itasy, ny sabotsy […]




