Vanim-potoana fiverenan’ireo mpanakanton’ny taona 2000 ve izao ? Asa aloha, fa fifalian’ny mpankafy ny nahenoana fa ho tazana indray ry zalahy 18,3. Raha toa ka ry Da Hopp no namaky lay ny rap gasy nohiraina, tsy azo lavina kosa fa ry zalahy 18,3 no nalaza indrindra tamin’ny vanim-potoanany. Vaovao lehibe ho […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Tsy tafiditra ny birao ny sefo fokontany vaovao eny Avaratetezana Ambohimanarina. Efa nivoaka ny naoty nanendry azy saingy nanohitra izany ny fokonolona eny an-toerana. «Tsy mipetraka ao amin’ny fokontany ity olona notendrenan’ny lehiben’ny distrika ity», hoy ny mponina. Efa nahangona sonia amin’arivo izy ireo nanoherana izany. Tsy tokony ho laniana […]
Filoha lefitry ny Antenimiera, depiote Fetra: « Mbola vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany »
Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ralambozafimbololona Andriantsivoafetra, fa tsy maintsy mbola hirosoana ny fifidianana filoham-pokontany. « Mbola fepetra vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra aloha izao », hoy izy. Nolazainy fa tena nisy tokoa ny hetaheta teny an-dalambe nivoaka tamin’ny tolom-bahoaka ny amin’ny tokony hifidianana ny sefo fokontany. […]
Aim-pirenena
Hanao ahoana ihany ny fikaonandoham-pirenena? Maro ny miandry fatratra. Ho amin’ny tena fanavaozana sa… ? Sanatria, ho ady saritaka noho ny paipaika sy kajikajy politika mahazatra ny sasany, na noho ny torapo tsy mahafa-bela ny hafa… Na ahoana na ahoana, mila mitandrina sy malina. Amin’izany, manara-maso sy mifanara-maso: iza no […]
Hafatra Pentekosta FFKM : “Aoka ho fiainantsika ny 4 F”
“Aoka ho fiainantsika ny 4 F: fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana”. Izay ny hafatra Pentekosta FFKM, nampitainy omaly. Tao anatin’ny Fanambrana sy hafatry ny Komity foibe 47 sy fihaonambe FFKM, ny 19-21 mey 2026, nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tsy ho filamatra fotsiny ny 4 F, fa ampiharina eny an-tokantrano sy ny […]




