Mavesa-danja eo amin’ny fampivelarana ny zavakanto ny fananana rindran-damina mazava hoenti-miasa sy manatsara ny atao. Ny fikatsahana sy fametrahana izany no anisan’ny antony nananganana ny « Vovonan’ny mpitsoka mozika ». Notanterahina tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny fampahafantarana ny fijoroan’ny « Vovonan’ny mpitsoka mozika ». Anisan’ny zava-dehibe sady antony nananganana ity vovonana ity ny fampivelarana […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Mitetina 150 tapitrisa dolara ny fandaharanasa Kaoatry 2026-2028. Tetibola hiompana amin’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny kalitaon’ny kafe malagasy ary ny fanamafisana ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 45 000 ha ny velaran-tany voakasiky ny fandaharanasa, ary tantsaha miisa 70 000 hatramin’ny 90 000 no hisitraka izany. Hifantoka amin’ireo faritra […]
Rajaonson Hugues: « Maro loatra ny hetra alain’ny fanjakana
Naneho hevitra ny profesora Rajaonson Hugues, mpahay toekarena sady mpampianatra mpikaroka. Nasiany teny ny mahakasika ny hetra alain’ ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina. Aminy ny hetra, ankehitriny, dia mamono ny orinasa, ny asa, ny vahoaka ary ny firenena. Antony, be loatra ny karazan-ketra alaina. Vokany, tsy afaka mivoatra ny […]
Fanarenana ny RN5: Hamatsy vola 35 tapitrisa dolara ny Badea
Mitentina 35 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola natokana ho an’ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalana mampitohy an’i Vahibe sy Mananara Avaratra. Hanohana an’i Madagasikara, amin’izany, ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (Badea). Tonga eto Madagasikara ny delegasionan’ity banky ity, ka nidinika tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Dr Rafefimanana […]
FAD-17 : 500 000 dolara ny fandraisana anjaran’i Madagasikara
Mandray anjara amin’ny fanamafisana ny Tahirim-bola afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Fad) i Madagasikara. Mitentina 500 000 dolara ny anjaran’ny firenena malagasy ao anatin’ity rafitra andiany faha-17 ity. Anisan’ireo sehatra manohana an’i Madagasikara ny Fad. Tamin’ny taon-dasa, nahatratra hatrany amin’ny 237,37 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azontsika, izany hoe, efa ho 475 heny […]





