Auteur/autrice : Adnews

Andrarezin’ny hira malagasy: Nodimandry ny Mompera Baigny Dezy

Lavo ny andrarezina ! Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-89 taonany, ny Mom­pera Andriatsifa Désiré Ana­tole, fantatra tamin’ny solonanarana « Baigny Dezy ». Nanamarika manokana ny fiainany ny talenta sy ny fahaizany mozika. Nanao fianarana ambony tao amin’ny « Conse­rvatoire de musique » tany Frantsa izy. Nampiasainy ho fitaovana hitoriana ny tenin’­ Andriamanitra sy nanabeazana ara-panahy […]

Kaonseritra “Asandrato” : Hira 30 horedonina mandritra ny adiny telo

Hanakoako hira fiderana indray ny etsy Anosy, rahampitso sabotsy mandritra ny andron’ny “assomption”. Antoko mpihira telo no hanandratra ny feony, ao anatin’ny fankalazana taon-jobily. Hotanterahina rahampitso 15 aogositra, ma­nom­boka amin’ny 3 ora folakandro ao amin’ny efitrano Havoria Anosy, ilay kaonseritra “Asandrato”. Seho ara-pilazantsara, hanandratan’ireo antoko mpihira telo sangany sy manana […]

VAOVAO TAMBATRA

Miatrika fanamby ara-toekarena i Mada­gasi­kara amin’ity taona ity. Hiakatra ny vidim-piainana, hihena ny fitomboana ara-toekarena. Nidina ho 3,8% ny vinavinan’ny fitomboana, raha 8,3% kosa ny fidangan’ny vidim-piainana. Miakatra ny vidin-tsakafo, solika, fitaterana ary angovo, ka mihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Ilaina, noho izany, ny fanamafisana ny famokarana eto an-toerana sy ny […]

Fanajana ny lalàn’ny jono : Horita 9 996,8 kilao azo tao Velondriake

Efa ho 10 taonina, ny horita azo tao anatin’ny iray andro nandritra ny fanokafana ny fanjonoana horita tao amin’ny Faritra Arovana an-dranomasina (AMP) Velondriake, any Atsimo andrefan’i Madagasi­kara. Antony nahazoana ny vokatra ny fanajana ny fanakatonana vonjimaika ny toe­rana fanjonoana. Nandritra izany, afaka nitombo sy niteraka ny horita, ka nahafahana […]

CMR Tunisie : Hanohana ny fanarenana ny Secren

Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny “Société d’étude, de Construction et de Répartition Navale” (Secren), Félicien Milson, ny tale jeneralin’ny “Compagnie Méditerranéenne de la Répartition” (CMR) Tunisie, Claude Miguet, mba hifampi­dinika momba ny fiaraha-miasa. Tanjona ny hanatsarana ny asan’ny orinasa sy hamerina indray ny fahafahany miasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tafiditra ao […]