Manitatra ny tolotra ho an’ny mpanjifa hatrany ny BGFIBank. Nampahafantarina ny 18 septambra teo ny Gasy Money, fomba ahitana ireo tolotra sy ny tontolon’ny banky amin’ny alalan’ny finday. Tsotra, haingana ary azo antoka. Afaka manokatra kaonty Gasy Money daholo ny rehetra ny mpanjifan’ny BGFI Banky sy ny tsy mpanjifa koa […]
Auteur/autrice : Adnews
Sehatry ny Cacao : Mitarika ny ICCO i Madagasikara
Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Voafidy hitarika ny Filankevitry ny Organisation internationale du cacao (ICCO) ho an’ny taom-pamokarana 2026-2027, i Philippe Fontayne. Voafidy nandritra ny fivoriana faha-114 ny ICCO, tany Abidjan, ny herinandron’ny 14 septambra teo, ity filoha lefitry ny Conseil national du cacao ity. Fifidianana mifanandrify amin’ny […]
Tetikasa Volobe: Laharam-pahamehana ny fifanakalozana amin’ny fiarahamonina
Naharitra telo andro ny dinika voalohany nataon’ny “Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe”(CGGV) tamin’ireo vondrom-piarahamonina ao Fanandrana, Ambodilazana ary Toamasina. Fifanakalozan-kevitra natao ny 15 ka hatramin’ ny 18 septambra, tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Drafi-pitantanana ny tontolo iainana sy ny lafiny sosialy (PGES) sy ny Drafitrasa momba ny Famindran-toerana (Par) ho […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ireo voarohirohy amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny mpandraharaha, Ravatomanga Mamy sy ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard ary koa ny minisitry ny Fitaterana teo aloha, Ramonjavelo Valery. Miisa 33 izy ireo, miampy orinasa dimy. Samy voasaringotra amin’izany avokoa. Efa tamin’ny Repoblika I ny tolona fa mafy kokoa […]
Mpandrindra ny FFM Androy : « Ho arofanin’ny fanavaozana izahay »
Nitondra fanazavana momba ny Fanilon’ny Fanavaozana (FFM) ny mpandrindram-paritra, Managneto Oliver, avy any Androy. Nambarany fa tsy manavaka izy ireo, tahaka ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ihany. « Noraisiny sy nohenoiny na ny mpanohitra aza. Tsy mivaona amin’izany izahay. Ho arofanina kosa anefa », hoy izy, tetsy Anosy, omaly. Notsiahiviny fa nijoro taorian’ny […]





