Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Mamerina sy mampahatsiahy ny fitsipiky ny fahadiovana ho an’ireo mpampiasa ny hopitaly ny tompon’andraikitry ny CHU HJRA. Andraikitry ny rehetra ny fahadiovan’ny fotodrafitrasa iombonana toy ny ho­pitaly. Voakasik’izany ny mpiasan’ny hopitaly, ny marary, ny mpiandry marary, ireo mpamangy marary. Samy manana ny anjara andraikitra amin’ny fitazomana ny hopitaly ho madio, […]

Distrikan’Ambohidratrimo: Mivoaka ny tetiandro fitsarana miaramila

Nivoaka ny tetiandro ha­na­tanterahana ny fitsarana mi­aramila ho an’ireo tonga taona rehetra ho an’ny distrikan’ Ambo­hidratrimo. Ireo to­vo­lahy sy tovovavy teraka teo anelanelan’ny taona 1995 hatramin’ny taona 2007 (19 taona ka hatramin’ny 31 taona) no voakasin’izany. Ho an’ny fitsarana miaramila taona 2026 izao ho­tanterahina izao. Hotanterahina ao amin’ny Tranompokonolona izany […]

Aretina lefakozatra: 1 173 000 ireo zaza atao vaksiny any atsimo

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny hetsika fanaovam-baksiny faobe iaidiana amin’ny lefakozatra ho an’ny faritra Androy. Haharitra 4 andro ny hetsika amin’ity andiany voalohany ity. Faritra 5 any atsimon’i Madagasikara no hisitraka izany dia Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Ihorombe. Ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny 2 taona […]

Tsindry mahazo ireo valan-javaboahary: Nahazo fitaovana fanaraha-maso avo lenta ny Sinergi-MNP

Manomboka izao dia voaara-maso ara-potoana ireo tranga fanimbana ala any anaty valan-javaboahary. Arifomba ny fitaovan’ny Sinergi-MNP amin’ny fitsirihana sy ny tatitra hifehezana haingana ny tranga. Nisitraka fitaovana vaovao sy moderina manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny Madagascar Na­tional Parks (MNP). Nampa­ha­­fantarina, omaly, teny Amba­tobe ny Sinergi-MNP izay rafitra nasionaly hanatevina ny […]

TARATRY ny KANTO

Hitafatafa amin’ireo liana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika i Edwelle Zafindrazana Ralaiaridimby. Izy no talen’ny Ivontoerana ho an’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara, na ny ISSM amin’izao fotoana. Hotontosaina rahampitso alarobia 12 aogositra, amin’ny 3 ora tolakandro izany, eny amin’ny ESM Ampandrana. Anisan’ny lohahevitra horesahana ny “ISSM Festival Film Awards 2026”. Eo […]