Auteur/autrice : Adnews

Jazz@Tohatohabato: Hitohy amin’ny « Jazz Quartier » ny anio

Nisantarana ny seho se­ha­tra tamin’ity Jazz@Tohato­ha­bato 2026 ity ny «Jazz kids», notanterahina tao amin’ny Tranompoko­no­lona Ana­lakely, ny 5 aogositra teo. Ho­tohizan’ny «Jazz Quar­tier», anio tolakandro, izany. Seho ankalamanjana, eo anoloan’ny Tranompokonolona Isotry. Tafiditra ao anatin’ny tanjona tratrarin’ny mpikarakara ny hetsika kolontsaina Jazz@ Toha­toha­bato ny fahampahafantarana ny jazz amin’ny Malagasy sy […]

Tantara fihaino : Mila fahazoan-dalana ny fandefasana ana habaka

Namoaka fampahatsiahivana ny Omda. Nanohy ny fangatahany kosa ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny tantara fihaino. Tsy tokony halefa fahatany ana habaka ireo tantara malagasy. Raha misy ny seha-javakanto nandalo vanim-potoana, miroborobo sy be mpankafy hatrany, angamba ny tantara fihaino. Toy ny sehatra rehetra anefa, tsy afa-miala amin’ny fivoaran’ny teknolojia ihany koa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hampiakatra ny vidim-piainana eto Madagasi­kara ny fiakaran’ny vidin-tsolika ka hampihena ny fahefa-mividin’ny mponina. Nivoitra izany nandritra ny fivorian’ny komity misahana ny politika ara-bola sy ireo mpisehatra ara-toekarena ny alarobia teo. Nisongadina tao anatin’izay fa mbola tsy niova ny vidin-tsolika eto amintsika na mbola mihatra ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy […]

Moris Mada BC : Fiaraha-miasa maorisiana sy Madagasikara

Hatao ny 13 sy ny 14 ao­go­si­tra ho avy izao eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika ma­noka­na, «Moris Mada Busi­ness Connect». Hetsika entina ha­namafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Mada­gasikara sy i Maorisy. Manoha­na azy ny Yas Busi­ness, izay nanamarika zava-dehibe miavaka tokoa ny «Moris Mada Bu­siness Connect», satria ha­no­mezan-danja […]

Ambovombe : Havadika ho rano fisotro ny ranomasina

Sambany ! Voalohany ho ampiasaina eto Madagasikara ny haitao hamadihana ho rano fisotro ny ranomasina. Hanatanteraka izany teknolojia izany any Ambovombe ny orinasa Aureate Resources. Natao sonia teny amin’ny Lapan’ Ambohitsirohitra, omaly, ny fifanarahan’ity orinasa ity, nosoloin’i Xiao Cheng tena, sy ny minisitry ny Rano, Razafindria­niaina Elia. Hamokatra rano fisotro madio […]