Auteur/autrice : Adnews

Disciples FC sy Fosa Juniors: Hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana

Raha tsy misy ny fiovana, ny Disciples FC Vakinankaratra, laharana voalohany, ao amin’ny Kaonferansy Atsimo, hifanandrina amin’ny Fosa Juniors FC Boeny, fahefatra ao Ava­ra­tra, eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (PFL). Ampahatsiahivina ihany fa hatao ny 17 mey ho avy izao ny fihaonana mandroso, ka […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, «XXL Top 12». Mbola nohamafisin’ny CEA Andranomanalina, afakomaly, ny maha mpanjakan’ny kartie azy, rehefa nandavo ny Mang’art Manjakaray, tamin’ny isa 52 no ho 33. Nandrombaka medaly alimo roa ny delegasiona malagasy […]

Makis Ladies: Hanala vela amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara

Hiatrika fifaninanam-pirenena indray ny Makis Ladies, amin’ity volana mey ity. Hanafika atsy Kenya, ka hiady ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “performance division”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 15. Firenena efatra no hiady ho lohany amin’izany. Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika, sokajy «Perfor­mance division», vehivavy, ho an’ny taranja rugby […]

INDRAY MIJERY

Ho maina, amin’ny ankapobeny, ny habaka saika manerana ny Nosy, raha ny vina mandritra ny herinandro. Hahazo vahana anefa ny tsioka avy atsinanana ho an’ny tapany avaratra atsinanana sy ny ilany atsinanan’ny afovoantany, amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy tranga mahery vaika mety hanakorontana ny toetry ny andro. Hisy orana avy […]

Antsirabe I sy II : Sekoly efatra nahazo fotodrafitrasa vaovao

Fotodrafitrasa vaovao efatra momba ny fanabeazana no notokanana tao Antsirabe I sy II, ny faran’ny volana lasa teo, ao anatin’ny tetikasa “Anjara”, tohanan’ny Vondro­na eoropeanina. Tanjona ny hampisitraka zo ireo zaza amin’ny fanatsarana ny fahazoana fanabeazana any an-dakilasy. EPP Tsivatri­ni­kamo, CEG Tsia­fahy, EPP Fiadana­na ary CEG Andrano­ma­­ne­latra no niantefan’ny tetikasa. […]