Auteur/autrice : Adnews

Famatsiana solika : Mikasa hanafatra any Oman i Madagasikara

Mikasa hanafatra solika mivantana any Oman i Mada­gasikara. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël sy ny delegasionina avy any Oman notarihin’ny Ab­dulsalam Bin Al Murshidi, filohan’ny fahefana misahana ny fampiasam-bola ao Oman, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloho, ny talata teo. Voaresaka manokana ny famatsiana solika izay azo […]

Fandaharanasa Fandroso : Vola 200 miliara Ar hanohanana ny tanora manana tetikasa

Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fandaharanasa Fandroso, hanohanana ny tanora manana tetikasa. Misy karazany roa izany, ny sokajy Tsiry, ho an’ny tanora vao manomboka handraharaha sy ny Tafita ho an’ireo hanitatra ny fihariany. Ho lasa mpamorona asa mihitsy ny tanora, fa tsy tokony hiandry asa fotsiny. Maro ny tanora […]

FANTINA sy FINTINA

hatao Andro fisaonam-pirenena ny rahampi­tso manerana an’i Madagasikara, didim-panjakana navoakan’ny fiadidian’ny fanavaozana ny repoblika, halina. Natokana ho andro tsy fiasana fa handraisan-karama izany. Voarara ny fety aman-danonana ary hai­dina amin’ny an-tsasaky ny tsoran-kazo ny sainam-pirenena. Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry, afakomaly hariva, i Alphe Léon. Notsaboina tamin’ny hopitaly iray teto […]

Vono olona etsy sy eroa : Nahazo toromarika ireo sefo fokontany

“Efa mandray an-tanana an’io ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Ra­ko­tonandrasana Hanitra Ve­lonjara Tiaray, teny Anosy, omaly, manoloana ny fisian’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa, amin’izao fotoana. Efa voahetsika avokoa ny tomponandraikitra rehetra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Na mpitandro filaminana izany na mpitsara, na ny tomponandraikitra […]