Anio no hanamarika ny faha-20 taona nitantanany ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi. Mpi.Ma) Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala. Amin’ny alalan’ny hetsika « Tafasirim-pifaliana », hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena Ampefiloha. Izy no vehivavy voalohany nitondra ity fikambanana zokiny indrindra amin’ ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity. Ao anatin’ny fampahafantarana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
« Live Stage II » : Hiray sehatra i Denise sy i Jaojoby
« Tsara tsara ». Hira iray iarahan’i Jaojoby sy i Denise, izay nanampy ny laza efa nananan’izy ireo io. Hira nanamarika ny roa tonta, satria voninahitra ifampizarana eo amin’ny raiamandreny sy ny zanaka samy mpanao mozika. Fanombohana iny fampiaraham-peo iny, fa mitohy hatrany kosa ny fiaraha-miasa eo amin’i Jaojoby sy i Denise. […]
Kanto Miampita : Hanome ny tsara indrindra ny tarika Njila
Hatao ny 31 jolay 2026, eny amin’ny CCI Ivato, ny lanonana takariva an’ny tarika Njila. Fampisehoana miavaka tafiditra ao anatin’ny hetsika “Kanto Miampita”, tohanan’ny Airtel Money. Fotoan-dehibe miavaka ny fihaonan’ny tarika Njila sy ny mpankafy azy amin’ity fotoana ity. Lanonana takariva, «grand cabaret», tena hisongadina raha ny eto Antananarivo no […]
VAOVAO TAMBATRA
Nisy fiarabe iray nitondra solika mavesatra nibahana teo Ambohipeno, nanomboka ny alatsinainy 20 jolay teo tamin’ny 6 ora sy 30 mn hariva. Tsy mbola afaka teo an-toerana ity kamiao ity, omaly talata tamin’ny 7 ora hariva. Nisy fikorontanany, noho izany, ny famatsiana herinaratry ny Jirama, ao anatin’ny Tambajotra Iraisan’ Antananarivo […]
Orinasa Enelec : Nandray ny ahiahin’ny Filohan’ny Fanavaozana
Nitondra fanazavana ny orinasa Enelec, manoloana ny tsy fahatomombanan’ny famatsian-jiro any amin’ireo tobim-pamokarana tantaniny. Toe-javamisy nahatonga ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mickaël, nanakihana ny orinasa, afakomaly. Niaiky ny Enelec fa nisy ny olana ara-teknika goavana sy tsy azo nanoharana, nosedraina. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny orinasa raha […]





