Nankalazaina omaly, tao amin’ny saha Imaitsoanala, any Mandraka, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (JIB). Nitarika ny fotoana, tamin’izany, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Antoine Andonirina, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana rehetra. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « Miasa miaraka ho an’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
CT Motors : efa eto ny Tank 500
Efa eto Madagasikara ny Tank 500 an’ny Great Wall Motors (GWM). Efa azo jifaina ao amin’ny CT Motors ity SUV izay misy karazany roa ity. Ny voalohany izay manana moteur thermique 3l V6 twin turbo, 350 chevaux. Ny faharoa manana moteur hybride, itambaran’ny moteur thermique 2l 4 cylindres sy moteur […]
“Ode ry Gasikarako” andiany faharoa : manambatra ny hery ho fiarovana ny tontolo iainana
Miantoka ny fampivoarana ny fiainan’ny olombelona ny tontolo iainana. Ilaina ny fanambarana ny hery rehetra ho an’ny fiarovana izany mba ho lovain-jafy sy hiainana mirindra miaraka amin’ny natiora. Ho an’ny taninjanaka! Loza mitatao ho an’ny mpiara-belona ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny karazana zavamananaina. Ilaina ny fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientan’ny […]
Oniversiten’Antsiranana: nahazo trano fonenana manara-penitra ny mpianatra
Nankasitraka ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny mpianatry ny oniversiten’ Antsiranana tamin’ny fahavitan’ny trano fonenana ho azy ireo. Natao ho fanampiana ny efa misy ao an-toerana izany. Trano misy rihana iray, R+1, mirefy 993 m2, ahitana efitrano 80, ary mahazaka mpianatra 160 ny fotodrafitrasa. Misy toerana natokana handrahoana ihany koa. Mitovy […]
Dio Sera: Manampy amin’ ny fanadiovana
Anisan’ny nahazo famatsiana ara-bola, amin’ny alalan’ ny tetikasa « Rano Maharitra sy Dio Sera » ny faritr’i Toamasina. Mitentina 10 tapitrisa dolara izany, izay entina miasa mandritra ny dimy taona. « Tena ilaina ny famatsiana toy izao ho fanatsarana ny lafiny fahadiovana sy fidiovana, mba hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka », hoy ny ben’ ny Tanànan’i […]





