Narodan’ny Makis Ladies ny Keniana, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehina ny «Mondial 2025», taranja rugby, lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Afa-bela ny Makis Ladies. Manohy ny lalany any amin’ny fahombiazana ireo Malagasy mpilalao, ankehitriny. Tsara fanombohana ny Makis Ladies, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Telo mianaka nandeha moto scooter nasosan’ny fasika tamin’ny arabe teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teny Imerintsiatosika, omaly. Naratra ilay mpitondra moto. Tsy nahina ny fahasalaman’izy telo mianaka. Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpitondra moto roa nifandona teny Manjaka Ilafy, afakomaly hariva. Samy nandeha mafy ny roa tonta ka potika tanteraka […]
Fahazoana mariboninahitra: Ramatoa mpisoloky, maka 35 000 Ar
Vola an-tapitrisany no efa azony! Renim-pianakaviana iray ao Toamasina no misoloky ho afaka mikarakara fahazoana mariboninahitra haingana arakaraka ny hangatahan’ny olona. Rehefa hitany fa roboka ny olona solokiany dia mody hasehony lisitra fa hoe ireto avy ireo efa miandry sonian’ny filohan’ny Repoblika. Lazainy mihitsy aza fa hapetaka amin’ izao daty […]
Mahavatse Toliara : jiolahy roa maty rotiky ny balan’ny polisy
Jiolahy roa indray maty voatifitry ny polisy nandritra ny fifampitifirana tao Mahavatse Toliara, omaly tamin’ny 1ora sy 45 mn. Nandritra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana no nisian’ny fifandonana. Tsy mikely soroka ny polisy amin’ny famongorana ny asan-jiolahy miseholany ao Toliara sy ny manodidina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisin’ny UIR no nahazoan’izy […]
Nihidy irery tao an-trano: tovolahy 15 taona maty kilan’ny afo
Kilan’ny afo tao an-trano ny tovolahy iray 15 taona, afakomaly. Tsy afa-nitsangana sy nanavo-tena izy rehefa nitranga ny loza, noho ny toe-pahasalamany. Hotohoton’ny afo, maty tsy nialana nenina ny tovolahy iray 15 taona, tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, ny 4 mey teo tamin’ ny 3 ora tolakandro. Nijanona irery […]





