Auteur/autrice : Adnews

Atsimo Atsinanana: novelomina ny tambajotra miaro ny zon’ny zaza

Novelomina indray ny tambajotra miaro ny zon’ny zaza ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny taona 2023 lasa teo. Ny prefet no mpitarika ny tambajotra ary ny fitaleavan’ny Mponina, fampivoarana ny vehivavy ary ny fiahiana ara-tsosialy no mpandrindra. Mpikambana ao ireo sampandraharaham-panjakana samihafa, ireo ampanjaka, ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo […]

Basikety 3×3 : nahazo mpandrindra tsirairay ny ligy 21

Ho fampiroboroboana ny taranja basikety 3×3 eto Madagasikara, nasiana mpandrindra tsirairay ny ligim-paritra manerana ny Nosy miisa 21, amin’ity taranja ity. Andraikitra maro ny miandry ireo tomponandraikitra voatendry ireto, taorian’ny fiofanana izay noratoviny. Tsiahivina fa niatrika fiofanana nampitain-davitra izy 21 mianadahy voatendry ireo, tamin’ilay tetikasa “Se la rue vers…l’or”. Mbola […]

Resampa André Haja : Voatendry fanindroany ho minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena

Anisan’ny minisitra mbola voatazona ao anatin’ny governemanta malagasy, ny minisitra Resampa André Haja, misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy niova fa voatendry fanindroany indray hisahana ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, araka ny fanendrena natao teny amin’ny Lapan’Iavoloha, omaly 14 janoary. Mbola nametraka fitokisana taminy ny […]

Sombim-baovao

Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can), taranja baolina kitra, tanterahina any Côte d’Ivoire. Andriatianarivelo Dimbiniaina no Malagasy iray nosafidin’ny Caf ho anisan’ireo mpitsara, mandritra ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa hifarana ny 11 febroary ho avy izao ny “Can 2023”. Taorian’izay dimy volana tsy niakarana […]