Auteur/autrice : Adnews

AGOA 2024 : mbola afaka manondrana entana i Madagasikara

Afaka manondrana entana eo amin’ny tsena amerikanina ka tsy andoavana haban-tseranana, toy ny teo aloha, ny vokatra avy eto Madagasikara mandritra ity taona ity, taorian’ny tombana nataon’ny governemanta amerikanina. Anisan’ireo firenena mbo­la hisitraka ny fanondranan’entana any amin’ny tsena amerikanina, amin’ny alalan’ny African Growth And Opportunity Act (AGOA), i Madagasikara amin’ity […]

Fimpima : Androm-pirenena ho an’ny kabary

Namoaka filazana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) ny 10 janoary teo, fa afaka mankalaza ny Androm-pirenena ho an’ny kabary ny fikambanana tsirairay. Ho an’ny Fikam­banan’ny mpikabary malagasy (Fimpima), nosafidiny ny alatsinainy 15 janoary ho avy izao, etsy amin’ny Trano­mboky monisipaly Anala­lakely, akaikin’ny fiangonana Katedraly. Manomboka amin’ny 10 ora […]

Kaominina Toamasina : samy ho kandidà ireo TGV

Nilaza ny tsy hanolotra kandidà ben’ny Tanàna eto Toamasina ny antoko miaraka amin’ny Vondron’ny kandidà (C11). Na izany aza, misy ihany ireo tsy hanaraka izany fa mety hirotsaka amin’ny anarany manokana. Efa ao anatin’ny fifampiresahana na koa fifandroritana ireo mpanohana ny filoha Rajoelina manoloana ny kandidà hahazo ny fankatoavan’ny vovonana […]

12 janoary : nankalazaina omaly ny Andron’ny manamboninahitra

Fotoan-dehibe sy miavaka ho an’ireo manamboninahitra ny andron’ny omaly. Fotoana miavaka ihany koa hanomezana voninahitra sy hahatsiarovana ny fitakiana nataon’ny mpianatra ho manamboninahitra tamin’izany. Tontosa omaly 12 janoary 2024 ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Nahitana izany fanamarihana izany avokoa ireo toby miaramila sy zandary maro nanerana an’i Mada­gasikara. Samy nanana […]

Toetr’andro: mihaodihaody ny rivodoza manaraka

Nampahafantatra ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandria­nom­by, omaly, fa misy rivodoza mihaodihaody ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Oma­ly, any amin’ny 950km avaratra atsinanan’Antalaha ny foibeny. Rivodoza faharoa nipoitra tamin’ity vanim-potoana fahavaratra ity io miforona io, aty amin’ny fari-dranomasina ma­nodidina an’i Madagasikara. Miha mitombo hery ity rivodoza ity ka […]