Ny 27 janoary izao no hanamarihina ny faha-100 taonan’ny skoto, Tily, eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, Mahamasina, ny hetsika fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy fa hisy ihany koa manerana ny distrika. Maherin’ny 5 000 ireo skoto andrasana eny Mahamasina amin’io. Aorian’ny fanompoam-pivavahana, hisy ny foaraben’ny Tily, hanasongadinana ny talenta […]
Auteur/autrice : Adnews
Fianarana teny japoney: mitantara ny niainany tany Japana i Tafita
Taona fahatelo ao amin’ny fakiolten’ny teny sy siansa maha olona an’ny Oniversiten’Antananarivo i Tafita ary manaraka ny lalam-piofanana teny Anglisy sy Japoney. Nahazo vatsim-pianarana herintaona avy amin’ny fanjakana japoney izy, ka nihazo an’i japana, ny volana septambra 2022, mba hianatra sy handalina ny teny sy kolontsaina japoney tao amin’ny Doshisha […]
Famatsiana fanafody amin’ny drone: maherin’ny 3 900 ny sidina vita tamin’ireo faritra 5 niasana
Manampy fianakaviana maro any ambanivohitra amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fampiasana drone. Nanao tombana ny zava-bita tamin’ny fampiasana drone ny masoivoho amerikanina nandritra ny fitsidihana ny orinasa AerialMetric izay manamboatra drone. Fantatra, tamin’izany, fa nahavita sidina 3 900 ireo drone miasa hamatsiana fanafody sy vaksiny ary kojakoja ilaina amin’ny fahasalamam-bahoaka. […]
INDRAY MIJERY
Fandaminana anatin’ny minisitera no antony namoahana ny naoty avy amin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ireo hetsika ara-pahasalamana manatona vahoaka, araka izany, no voararan’ny hetsika fivorivoriana. Tsy voakasik’izany kosa ny fanaovana fety sy fivoriam-pianakaviana. Nidina teny amin’ny EPP Ambodifiakarana Isotry, EPP Ampefiloha cité, EPP Anatihazo Isotry ny CUA nanentana ny tsy […]
Masoivohon’i Chine: nanome vary 23 taonina ho an’ny traboina
Manao ranolava ny fanampiana avy amin’ireo malala-tanana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Alvaro farany teo. Ny alarobia teo, nanolotra vary milanja 23 taonina sy menaka fihinana 920 litatra ary tsaramaso milanja 4,6 taonina ny masoivon’i Chine. Iandraiketan’ny BNGRC ny fitsinjarana ny fanampiana amin’ireo traboina, arakaraka ny filàna maika. […]





