Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ny lehilahy iray misoloky ho mahatafiditra mpiasam-panjakana. Efa amam-bolana maro no nilazany fa mahatafiditra mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy. Maro ny fitoriana voarain’ny zandary momba azy. Fotoana maro ihany koa no nangalarany sy nisolokiny volan’olona noho io […]
Auteur/autrice : Adnews
Nanakorontana : lehilahy roa tratra tao anaty hotely
Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Antsiranana, omaly, ny lehilahy roa tompon’antoka tamina fanakorontana tao anaty hotely iray any an-toerana. Nanatanteraka asa toy ny fanaony isan’andro ny polisy amin’ny fanaraha-maso ny trangana tsy fandriampahalemana ao an-tampon-tanànan’Antsiranana. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fisiana trangana fanakorontanana tao amina trano fandraisam-bahiny iray. Tsikaritry ny polisy tamin’izany […]
Nandriaka ny ra : Ben’ny Tanàna maty voatifitra
Maty tsy tra-drano! Voatifitry ny dahalo ny ben’ny Tanàna tao amina kaominina Andranomiely, Ankazobe. Jiolahy telo kosa maratran’ny balan’ny zandary. Nataon’ny dahalo hazalambo! Maty voatifitra ny ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andranomiely, distrikan’Ankazobe, ny alahady 7 janoary teo, tamin’ny 11 ora alina. Nangingina nandritra ny herinandro vitsy ny tsy fandriampahalemana […]





