Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Hitohy amin’ny fiatrehana fifidianana depiote ny ho firafitry ny tontolo politika, araka ny nambaran’ny KMF/Cnoe . “Karazan’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena io ary tokony hatao mialoha ny fifidianana ben’ny Tanàna izany”, hoy izy ireo. Nanamafy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, teny Faravohitra, ny sabotsy teo, fa tsy ara-dalàna […]

Depiote Johasy Eléonore : “Mila manova fomba fiasa ny governemanta eo”

“Fantatra fa misy lalan-tsaina na toromarika vaovao momba ny sosialim-bahoaka mivoaka. Ny Praiminisitra Ntsay Christian ve no heverina fa hahatafavoaka sy hahatanteraka an’izay?”. Io no fanontanian’ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, i Johasy Raharisoa Eléonore. Eo ny fanamafisana ny toekarena amin’ny alalan’ny fanorenana sy fanohanana ny orinasa eo amin’ny […]

Soa ny lavo…

  Miavaka kely amin’ny mahazatra ny dingana arahina amin’ny fanendrena izay ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Tsy manana herijika hidirana an-tsehatra ireo misora-tena ho tandapa sy tompom-pahefana zatra nanjakazaka. Misary tsotsotra ny birao handraisana ny tahirin-kevitra ho an’ny «mpifaninana». Henjana anefa ny fanaraha-maso avy aty ambadika. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao, […]

TSELATRA

Olona 11 naratra niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Miandrivazo, afakomaly maraina. Nisedra olana teknika ny fiara ka namantana tamin’ny trano fisakafoana amoron-dalana. Naratra mafy ny mpamily. Efa manaraka fitsaboana izy sy ireo mpandeha hafa naratra. Hotohoton’ny afo ny trano miisa roa tao Ambohimasina Arivonimamo, ny sabotsy 6 janoary teo. Nandeha nanao asa […]