Anisan’ny sakafo nampidi-doza ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny fihinanana trondrokely am-bifotsy. Efa nahiditra hopitaly any Tanamakoa-Toamasina kosa izy ireo. Fito mianaka be izao tsy maintsy naiditra hopitaly ao amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray ao Tanamakoa-Toamasina. Narary vokatry ny fihinanana trondrokely am-bifotsy, “sardine”, izay nampifangaroana tamin’ny paty makaronia, ny andron’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Maherin’ny 60 ireo depiote tonga teny Iavoloha, afakomaly, tamin’ny fampahafantarana ny fanendrena indray ny praiminisitra Ntsay Christian. Efa nampoizina kosa ny tsy naha teo an-dRazanamahasoa Christine sy Razafitsiandraofa Brunelle ary ny depiote Rossy. Mitsipaka ny fanjanahantany ankolaka sy mivantana ny eo anivon’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF), araka ny nambaran’izy […]
FANENDRENA MINISITRA : “Tokony hahafehy ny teknika sy politika ny ho minisitra”
Voatendry ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ahoana ny fandrafetana ny governemanta vaovao? “Tsy maintsy mahafehy ny lafiny teknika izany, fa olona tsy maintsy mahafehy ihany koa ny lafiny politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD, Rakotondrasoa Fetra. Mazava ho azy fa afa-miara-miasa amin’ny filohan’ny Repobika; faharoa, afa-kametraka malaky an’ireo fampanantenana noresahiny […]
Tsy fialofan’ny ratsy !
Manahirana ny hiresaka ny zava-miseho sasany eto Madagasikara, ankehitriny. Tsy maintsy velesina anefa ny vy dieny mbola mafana. Vantany vao mandray fahefana ny filohan’ny Repoblika dia hihazakazahana ny famotsipotsirana ny marina. Tanjona ny hisorohana ny mety tsy azo ihodivirana rahatrizay ka hahakofona ny fitondram-panjakana. Vao manomboka izy io dia […]
Fitantanana eny ifotony : tsy manaiky ny mety ho fametrahana PDS ny TIM
Mitaky ny hanarahana ny Lalàmpanorenana ny eo anivon’ny antoko Tim. Anisan’izany ny tokony hifidianana ny ben’ny Tanàna fa tsy hametrahana PDS. Nambaran’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc, omaly, teny Faravohitra, fa ho tapitra amin’ity volana ity ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Notsiahiviny fa efa nilaza mialoha izy ireo ny volana aogositra 2023 […]





