«Noho ny fifangaroana, sarotra «hono» ny mahita ny fototra » ! Mpikaroka maro no milaza azy io. Tranga mahazo ny kolontsaina sy ny zavakanto ihany koa ny tahaka izany. Saingy, nisy ny nahay niaro fatratra ny azy, hany ka tsy nisy fiantraikany loatra tany amin’ny fototra ilay fitiavana sy finiavana te hampifangaro. […]
Auteur/autrice : Adnews
Lilie sy Felaniary: raikitra ny «Takarivam-pifaliana»
Sady fifampiarahabana tratry ny taona 2024 no anisan’ny fanohizana ny fanafanana lanonana tanterahin’i Lilie sy Felaniary, any ivelany. Hanatontosa «Takarivam-pifaliana» Taombaovao 2024 any Toulouse izy ireo, anio, amin’ny 8ora alina (ora any an-toerana). Fampiaraham-peo tsy zoviana ho an’ny mpitia zavakanto. Anisan’ny andrasan’ny Malagasy maro monina any an-toerana sy ny manodidina, […]
Atrikasa fanoratana : ankizy no tilina handray anjara amin’ny hetsika
Manampy amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny ankizy ny fiseharany eo amin’ny haikanto. Anisan’ny antony nahatonga ny mpikarakara hanatontosa ny hetsika izany, ankoatry ny fahatsapana ny zava-misy eo amin’ny fanoratana asa soratra ankehitriny. Tanterahina manomboka amin’ity volana janoary 2024 ity, eny amin’ny Intsitut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny atrikasa mahakasika […]
INDRAY MIJERY
Hanatanteraka fivoriambe ny mpikambana ao amin’ny Holafitry ny farmasianina ny 17 janoary izao, eto Antananarivo. « Manao ahoana ny hoavin’ny asan’ny farmasianina eto amintsika ? », no lohahevitra hifampizarana mandritra ny fihaonana. Volana hanentanana ny fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ny janoary, hoy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Azo sorohina […]
Takaitran’i Alvaro : niakatra ho 26 075 ny traboina
Nitombo ho 26 075 ny olona traboina avy amin’ny tokantrano 5 979 ary 9 916 no voatery nafindra toerana (2 108 tokantrano) eny amin’ny toeram-pandraisana 36, ho an’ny faritra dimy voakasiky ny takaitra navelan’ny rivodoza Alvaro. Tsy nisy ny olona tsy hita popoka ary nijanona ho 10 ireo maty. Niakatra ho 5 072 ny […]





