Tsy ao anatin’ny lahadinika nofaritan’ny UCTU amin’ny fivoriambeny ny saran-dalana. Hatao ny talata 9 janoary ho avy izao izany, ka voafaritra ao ny fampahafantarana ny lalàna Edgar, mahakasika ny fitaterana an-tanàn-dehibe, ny zava-bita sy ny hoavin’ny fikambanana ary ny toe-bola. Azo resahina kosa anefa ny saran-dalana, izay niakatra 100% ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Paositra Malagasy: tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifa
Ankoatra ny fandraisana sy ny fandefasana entana sy taratasy, miantsehatra amin’ny fikirakirana vola ny Paositra Malagasy. Nitombo ireo mpanjifa ny tolotra ara-bola rehetra omen’ity orinasam-panjakana ity, tanatin’ny telo taona. Fivoarana lehibe ny hita nandritra ny 30 taona nisaloran’ity orinasa ity ny anarana Paositra Malagasy. Nampahafantarina omaly, ny ezaka vitan’ny orinasa […]
Vary simba tao Mahajanga : naiditra am-ponja ny prefe sy ny tale iray
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny prefet-n’i Mahajanga sy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (DRICC) Boeny, omaly. Raharaha maha voarohirohy azy ireo ny mahakasika ilay vary simba tanaty kaontenera miisa 50 tany an-toerana. Maromaro ny tomponandraikitra ambony avy any an-drenivohitr’i Boeny no nampiakarina aty […]
Fanambarana hosoka: vatosoa 56,85 kg tratra teny Ivato
Nanao fanambarana diso ny karazana vatosoany ny olona dimy, ka teratany sri-lankey ny iray, omaly, teny amin’ny ladoany Mamory Ivato. Maherin’ny 56 kg ny lanjany, ka nogiazana avy hatrany. Entina tsirihina eny amin’ ny biraon’ny fadintseranana eny Mamory Ivato daholo ny harena an-kibon’ ny tany, indrindra ny tokony haondrana any […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny tafatafa arahina ady hevitra iarahana amin-dRaymond Rajaonarivelo, mpanatontosa sarimihetsika, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny 20 janoary 2024. Malagasy anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika izy. Ny fahitany ny sarimihetsika malagasy no votoatin’ny tafatafa. Sarimihetsika sy sarimiaina miisa 30, mizara amin’ny […]





