Naiditra am-ponja vomjimaika ao Marofoto, Mahajanga ireo olona fito voarohirohy tamin’ny fanadiovana ilay vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga. Anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasaringotra tamin’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ary ny mpibata entana […]
Auteur/autrice : Adnews
Sakaraha : narahi-maso ara-teknika ny mpiompy trondro
Nidina ifotony, nitsirika sady nanohana ara-teknika ny mpiompy trondro any amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny tomponandraikitra ao amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsimo Andrefana, ny 24 desambra 2023 teo. Narahi-maso sady nomena tolo-kevitra ara-teknika ny mpiompy trondro, ahafahany manatsara ny seha-pihariany. Telo ny mpiompy trondro notsidihina, ka […]
Fetin’ny faran’ny taona : 150 000 hatramin’ny 300 000 Ariary ny tapakila
Samy manana ny fomba entiny mamarana ny taona ny isan-tokantrano. Misy ny mamonjy alim-bavaka. Maro ny mijanona an-trano. Betsaka ny mandeha alim-padihizana izay tafakatra hatramin’ny 300 000 Ar ny vidim-pidirana. “Lazaina fa mampitaintaina ny fety amin’ity taona ity satria tsy mahasahy manapa-kevitra ny mpanjifa raha tsy efa ankatoky ny fety”, hoy ny mpikarakara lanonana […]
FANTINA sy FINTINA
Handeha mivantana amin’ny haino aman-jerim-pirenena RNM/TVM ny lahatenin’ny filohan’ny Repoblika. Kabary firariantsoa sady hanambarany ny tetikasa laharam-pahamehana izany, hotanterahina amin’ny alahady 31 desambra izao, amin’ny 8 ora alina. Nanamarika ny faha-51 taonany ny MFM, afakomaly. Mbola nohamafisin’izy ireo ny tokony hanadiovana ny tokotany, mialoha ny fifidianana. Nanome toky koa ny […]
Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile: “Mila mitana fahefana amin’ny adihevitra ny mpitondra”
“Samy hafa ny olona mahay maka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana sy ny olona mitazona fahefana amin’ny alalan’ny fifanakalozana na ny adihevitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny minisitra teo aloha, ny jeneraly misotro ronono Tsaranazy Jean-Emile, ny amin’izay tokony hataon’ny fitondram-panjakana amin’ izao fiandohan’ny fe-potoam-piasana izao. ”Tokony hasehon’ny mpitondra ny fahaizany mitazona […]





