Auteur/autrice : Adnews

Tsy hijerena tavan’olona

  Tao anatin’ny andro vitsy, vantany vao vita ny Noely dia nipoitra tsikelikely ny « ady seza ». Mivoaka tsimoramora eny amin’ny tambajotran-tserasera ny fisehosehoana sy fisolelafana ataon’ny mpanao politika sasany. Misy aza ny lany henatra, efa namadika palitao fony mba nahazo vahana kely ilay vondron’ny kandidà 11, indreo fa mitady hiverina […]

Fahefana mpanatanteraka: hiova ny ho firafitry ny governemanta

Tsy hitovy amin’ny endriny ankehitriny ny ho firafitry ny governemanta vaovao, araka ny loharanom-baovao. Hohamafisina kokoa ireo departemanta hisahana ny fandaharanasan’ ny filohan’ny Repoblika. Heverina ny hametrahana sekreteram-panjakana ho an’ireo departemanta manokana tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena. Hampitom­bo ny ho isan’ireo mpikambana handrafitra ny governemanta izany. Tsy azo ihodivirana fa ireo […]

TSELATRA

Miantso ny fitondram-panjakana manomboka amin’ny filohan’ny Repoblika, ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena sy ny SEG, ny fianakavian’ilay lehilahy matin’ny zandary tao Mahitsy, ny 14 desambra teo. Nanangona sonia ny fokonolona mpiara-monina fa tsy dahalo velively io lasibatra io. “Tsy jiolahy velively ny zanakay, ary tsy tokony novoinoina izy satria azo sambo-belona […]

Iray maty, enina naratra: nifandona ny dahalo sy ny fokonolona

Namoizana ain’olona iray ary enina hafa naratra ny fanafihan-dahalo tao Soaserana, Ivohibe, ny 26 desambra teo. Da­halo nirongo fitaovam-piadiana nananika tanàna ka nangalatra omby 91. Naharay fampandrenesana ny zandarimaria miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Indroa niantoana ny fifandonana teo amin’ireo fokonolona nanara-dia sy ny dahalo. Nifamaly tifitra voalohany […]