Hamarana ny roa volana faharoa amin’ny taom-pianarana 2023-2024 ny ambaratongam-pampianarana rehetra manomboka ny sabotsy 23 desambra. Hisantatra ny roa volana fahatelo ny 8 janoary 2024, aorian’ny fialantsasatry ny Krismasy. Misy hatrany ny fanadinana hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra rehefa mifarana ny roa volana. Ho an’ny EPP iray ato anatin’ny Cisco Antananarivo […]
Auteur/autrice : Adnews
fiatrehana hamehana : nohavaozina ny drafitrasa
Tafiditra ao anatin’ny paikadim-pirenena amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny fanavaozana ny drafitrasa ho fiatrehana ny hamehana. Nampiavaka ny drafitra napetraka miaraka amin’ny BNGRC ny fijerena mialoha ireo tandindon-doza sy ny mety ho fiantraikany eo amin’ny olona sy ny fananany. Hamaritana sahady ireo asa mialoha tokony ho tanterahina […]
Tontolon’ny astronomia sy astrofizika: tanora malagasy 30 manomana ny PhD any ivelany
Tanterahina mandritra ny 3 andro, etsy Ambaranjana, ny dinika lehibe momba ny astronomia sy astrofizika iarahana amin’ireo profesora avy any ivelany sy eto an-toerana ary mpianatra mandalina izany. Nasongadin’ny profesora Rakotomalala Minoson, avy ao amin’ny fakiolten’ny Siansa, ao amin’ny oniversiten’Antananarivo, fa 30 mianadahy ireo Malagasy mpianatra manomana ny diplaoma PhD […]
Tsiahin’ny tantara: nivoaka ny boky momba ny “Mey 1972”
Namoaka boky vaovao Rasoloniaina Brigitte. Notanterahina tany Paris, ny 12 desambra teo, ny fampisehoana tamin’ny fomba ofisialy ny boky momban’ny mey 1972. Mitondra ny lohateny “Madagascar Mai 1972” izy io. Miompana amin’ny “Regards et perspectives historiques et socio langagières”, ahitana pejy miisa 288 ary navoakan’ny Hemisphères Editions izany. Nitantana kosa […]
Fitakian’ny CSI : “Aoka hafainganina ny fanaovana taratasim-panjakana”
Tafiditra amin’ny fisorohana sy ny ady atao amin’ny kolikoly ny fitakian’ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nitondra sosokevitra sy nanao tatitra amin’ny alalan’ny vahaolana izy ireo. Nisongadina tamin’ny famoahan’ity rafitra ity izany tatitra izany fa mbola olana goavana sy sakana lehibe amin’ny fampandrosoana […]





